Fifanajana : fototra iorenan’ny fanambadiana maharitra
Fototra lehibe mampiorina ny fanambadiana ny fifanajana. Raha tsy misy ny fanajana dia mety hihena tsikelikely ny fifandraisana na dia mbola misy aza ny fitiavana. Ny mpivady mifampiresaka sy mifampitondra amim-panajana no afaka manorina tokantrano milamina sy maharitra. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo fifanajana eo amin’ny mpivady tsara ampiarina amin’ny andavanandro.
Mifampiresaka amim-panajana
Manan-kery lehibe ny teny ampiasaina rehefa mifampiresaka ny mpivady. Manamafy ny fifampitokisana ny fampiasana feo milamina sy ny fifantenana tsara ny teny alohaky ny vava. Fadiana ny teny manaratsy, manambany na maneso. Na dia misy tsy fifanarahana aza dia tandremana hatrany ny teny mety handratra satria sarotra ny manarina azy ireny. Rehefa miresaka amin’ny vady dia tsaroana hatrany hoe silam-panahy izy fa tsy fahavalo.
Mihaina alohan’ny hamaliana
Ny fanajana eo amin’ny mpivady dia miseho amin’ny fihainoana amim-pahatsorana. Ny fihainoana ny zavatra lazain’ny vady dia midika fa mamela azy haneho ny heviny. Izany hoe tsy manapaka izay lazainy ary tsy manamaivana ny fihetseham-pony. Rehefa miezaka manakatra sy mahatakatra ny fisain’ny andaniny sy ny ankilany ny mpivady dia maro ny ady sy disadisa azo sorohana sy ialàna ao amin’ny tokantrano.
Manaiky sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny vady
Mampitombo ny fifanajana eo amin’ny mpivady ny teny fankasitrahana, ny fisaorana ary ny fanentanana ny vady rehefa misy ezaka vitany. Na dia ny asa madinika amin’ny andavanandro aza dia mendrika ho ekena sy deraina. Rehefa tsapan’ny vady fa hajaina izy dia vao mainka mampazoto azy hiezaka hatrany amin’ny fikarakarana sy ny fitadiavana izay mahasoa ny tokantranony.
Manaja ny fahasamihafana
Samy manana ny toetrany, ny fanabeazana hazony sy fahazarany ny mpivady tsirairay. Ny fanajana ihany koa dia ny fanekena fa tsy voatery hitovy hevitra sy fisainana foana ny olon-droa. Aseho amin’ny fihezahana hahatakatra ny ankilany izany fa tsy mikendry ny hanova azy hanaraka ny hevitra na ny zavatra tian’ny tena.
Miaro ny hasin’ny tokantrano
Marika iray lehibe ny fifanajana eo amin’ny mpivady tsy fitantarana ny fiainam-panambadiana aman’olona. Izany hoe fadiana ny mampiely ny olana ao an-tokantrano amin’ny olona rehetra, indrindra imasom-bahoaka. Manampy amin’ny fitandrovana ny fifampitokisana sy ny fifanajana eo amin’ny mpivady ny fihezahana miara-mamaha ny olana ao an-tokantrano. Tsy azo atao ny manaratsy ny vady amin’ny havana, ny namana…
Manaja ny tena
Manomboka amin’ny fanajana ny tena ihany koa ny fifanajana eo amin’ny mpivady. Manamafy ny fifandraisana sy ny fifampitokisana ny fitandremana ny fitondran-tena, ny teny aloaky ny vava sy ny andraikitra raisina. Mora hajain’ny hafa ny olona mahay manaja ny tenany.


