Torohevitra hampaharitra ny fofon’ny ranomanitra mandritra ny ora maro
Fanirian’ny ankamaroan’ireo mpanao ranomanitra ny hampaharitra ny fofon’izy ireny mandritra ny tontolo andro. Tsy ampy ny fisafidianana ranomanitra manitra be sy tsara tarehy, fa ny zava-dehibe dia ny fahaizana mampaharitra ny fofon’izy ireny. Tsy miankina amin’ny kalitaon’ny ranomanitra ihany ny faharetany, fa ilaina ny fahaizana mampiasa azy. Ireto ary misy torohevitra manampy hampaharitra ny fofon’ny ranomanitra mandritra ny ora maro.
Homanina ny hoditra alohan’ny hanaovana ranomanitra
Mientona sy afaka malaky ny ranomanitra raha apetaka amin’ny hoditra maina. Mila « matière » hifikirany mantsy ny hanitra. Noho izany dia mila homanina aloha ny hoditra : atao madio tsara ary hamandinina amin’ny « lait » na « crème » manamandina. Raha azo atao dia vokatra tsy misy na tsy mahery fofona no ampiasaina. Rehefa vita izay vao mametraka ny ranomanitra.
Safidiana ireo faritra mafana eo amin’ny vatana
Mba hampiparitaka tsara ny hanitra dia eo amin’ny faritra mitempo sy mafana eo amin’ny vatana no tokony asiana ranomanitra, satria ny hafanana no mamoaka ny fofona. Aiza àry no asiana azy : ny hatotanana, ny ao ambadiky ny sofina, ny fototry ny vozona, ny kiho anatiny… Ankoatra izay dia afaka mitsifitra ranomanitra kely amin’ny rivotra eo alohan’ny tena ihany koa dia avy eo mandroso eo amin’izany mba hahazo ny hanitra ny volo sy akanjo.
Tsy kosehina ny hatotanana
Fahazarana diso fanaon’ny maro ny fikosehana ny hatotanana rehefa avy nasiana ranomanitra. Izany fihetsika izany dia miteraka hafanana be loatra ka manimba ny singa (molécules) mandrafitra ilay hanitra. Vokatr’izany dia lasa afaka vetivety ny fofon’ilay ranomanitra ary simba ny firafiny. Ny tsara dia atsifitra fotsiny ny ranomanitra dia avela ho maina ho azy.
Mampiasa « vaseline » hihazona ny hanitra
Torohevitra fampiasan'ireo matihanina ity. Ny « corps gras » ao amin'ny « vaseline » dia mitazona maharitra kokoa ny ranomanitra ho eo amin'ny hoditra. Tsotra ny fomba atao : asiana « vaseline » kely eo amin’ny faritra mafana amin’ny vatana (ohatra : hatotanana) avy eo izay vao asiana na itsifirana ranomanitra.
Ny akanjo sy ny volo no asiana ranomanitra
Ny hoditra dia mamoaka hatsembohana izay mety hanala ny hanitra, fa ny lamba kosa dia mitazona izany mandritra ny fotoana maharitra. Raha tiana hijanona mandritra ny tontolo andro na ora maro àry ny fofon’ny ranomanitra dia atsifitra kely eo amin’ny akanjo izy io. Tandremana kosa nefa ny lamba sarobidy, toy ny landy, satria mety hamela tasy ilay ranomanitra. Ny volo ihany koa dia mitahiry hanitra kokoa noho ny hoditra. Tsy tsifirina mivantana kosa nefa ny volo satria mety hanimba azy ity farany izany. Ny fihogo no asiana ranomanitra alohan’ny hibangoana volo.


