Setroky ny fatana ao an-trano : mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana
Ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy dia mampiasa fatana saribao na kitay amin’ny fandrahoana sakafo. Mbola maro no tsy mahafantatra fa mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana ny setrok’izy ireny. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny andinindininy mikasik’izany.
Ahoana no mahatonga ny fahasimban’ny taovam-pisefoana?
Ny fandoroana kitay sy saribao dia mamoaka poti-javatra madinika tsy hita maso, entona manimba toy ny « monoxyde de carbone », ary akora simika hafa mety manimba ny lalam-pisefoana. Rehefa miaina izany setroka izany isan’andro ny olona, dia mety hiteraka olana sy « inflammation » ao amin’ny havokavoka.
Raha maharitra ela ny fifohana setroka, dia mihena tsikelikely ny fahafahan’ny havokavoka miasa ara-dalàna. Mety hihamafy koa ny faharefoan’ny vatana amin’ny aretina mifindra amin’ny taovam-pisefoana.
Ireo aretina mety hiseho
Ireto avy ny aretina sy fahasimbana mety hateraky ny setroka avy amin’ny fatana:
-Aretina tampoka amin’ny taovam-pisefoana: toy ny « pneumonie » sy « bronchite », indrindra eo amin’ny zaza madinika.
-Kohaka maharitra sy fahasemporana: vokatry ny « irritation » ny lalan-drivotra.
-Sohika : mety hipoitra na hihamafy amin’ny olona efa manana fahasarotana amin’ny fifohana rivotra.
-Areti-mitaiza amin’ny havokavoka: miseho rehefa ela niainana tao anaty tontolo be setroka.
Ny vehivavy sy ny zaza no tena atahorana kokoa, satria matetika izy ireo no mijanona akaikin’ny fatana mandritra ny fotoana maharitra.
Ireo antony mety mampitombo ny loza
Misy ireo toe-javatra sasany mampitombo ny « risques » sy ny vokadratsin’ny setroka avy amin’ny fatana mampiasa saribao na kitay ao an-trano :
-Tsy fisian’ny varavarankely na fantsona ivoahan’ny setroka,
-Trano kely sy tery,
-Fandrahoan-tsakafo maharitra isan’andro,
-Tsy fahampian’ny fahalalana momba ny loza ateraky ny setroka,
-Saribao na kitay mando izay mamoaka setroka betsaka kokoa.
Rehefa mitambatra ireo antony ireo dia vao mainka mampidi-doza ny fahasalaman’ny tokantrano.
Fomba hisorohana sy hanatsarana
Mba hampihenana ny voka-dratsy amin’ny taovam-pisefoana dia azo raisina ireto fepetra ireto:
-Fampiasana fatana nohatsaraina izay mampihena setroka,
-Fanokafana varavarankely na fametrahana fantsona fivoahan’ny setroka,
-Fanatsarana ny rivotra mivezivezy ao an-dakozia,
-Fampiasana angovo madio kokoa raha azo atao,
-Avela ho maina tsara ny saribao sy ny kitay vao ampiasaina.
Na dia mety ho sarotra ara-bola aza ny fanovana sasany, ny fanatsarana tsikelikely ny tontolo iainana ao an-trano dia afaka manampy betsaka amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny taovam-pisefoana.




