• Cours de change
  • 5219.46 AR
  • |
  • $4516.51 AR
Copyright Image : © Gus & Co
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fandrika miafina mampandany vola be loatra rehefa miantsena

22/01/2026 11:03 © Moov.Mg

Tafiditra anatin’ny fiainana andavanandro ny fiantsenana. Matetika nefa isika mandany vola bebe kokoa noho izay ilaina nefa tsy mahatsapa izany akory. Maro amin’ny fividianana zavatra ataontsika tokoa mantsy no namporisihan’ireo fandrika ara-barotra efa tsara petraka, izay matetika izany mifototra amin’ny « psychologie », ka manimba tsikelikely ny tetibolantsika. Ireto avy àry ny fandrika lehibe tokony ho fantatra mba hisorohana ny fandanim-bola be loatra rehefa miantsena.

Fandrika mampandany vola be lotra rehefa miantsena : ny fihenam-bidy sandoka

Ny filazana toy ny hoe «50% », « tolotra voafetra », na « vidiny manokana » dia mahasarika avy hatrany. Marihana nefa fa ,matetika, efa natao avo be ny vidin’entana am-boalohany na kely dia kely ihany ny fihenam-bidy natao. Vokany : lasa mihevitra isika mpividy fa mahazo tombony nefa mety mandoa lafo kokoa noho ny any amin’ny mpivarotra hafa. Mba hiarovan-tena amin’io fandrika io dia tsara raha mampitaha ny vidin’entana amin’ny toerana maro ary jerena ihany koa ny « historiques » ny vidin’io entana io alohan’ny hanapahan-kevitra.

Ny fividianan-javatra taitaitra na hoe tsy niomanana

Ny entana eo akaikin’ny « caisse », ny fampahafantarana amin’ny finday na ny « ventes flash » dia miantefa amin’ny fihetseham-po sy ny fahamehana. Mividy ianao nefa ianao nefa tsy tena ilaina. Ireo fividianana madinika miverimberina ireo dia mety ho vola be rehefa atambatra mandritra ny taona. Mba hialana amin’ny fandriky ny fividianan-javatra taitaitra dia mila miandry 24 na 48 ora alohan’ny hividianana zavatra tsy tena ilaina mba ahitana hoe mbola tiana no vidiana ve ilay entana sa tsia.

Ny fandriky ny « mora vidy »

Maro amintsika no mieritreritra fa mitsitsy vola rehefa mividy entana mora, nefa raha ratsy kalitao io entana io dia ho simba haingana ka mila soloina. Izany hoe mety handany vola bebe kokoa noho ny raha nividy entana tsara kalitao avy hatrany. Ny vahaolana dia ny fijerena ny fifandanjan’ny kalitao sy ny vidiny fa tsy ny vidiny mora fotsiny.

Ny fividianana zavatra aloha tsikelikely

Fandrika iray entin’ny mpivarotra hisarihana ny mpividy hividy entana amin’ny vidiny lafo kokoa ny fivarotana zavatra aloha tsikelikely. Mihevitra tokoa mantsy isika mpividy fa mihena ny fahatsapana hoe mandany vola rehefa aloha amin’ny sarany ambany tsikelikely ilay entana vidiana. Manome fiheverana diso ihany nefa io paikady io satria sady mitarika trosa maharitra izany no mampanefa zana-bola lafo amin’ny vidiny ilay entana. Noho izany, raha ampy ny vola am-pelatanana dia tsara hatrany ny manefa avy hatrany ny vidin’ny zavatra ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires