• Cours de change
  • 5230.01 AR
  • |
  • $4527.38 AR
Copyright Image : © D-Lab
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fikarakarana tsotra mahamafy sy mahasalama ny volo

20/01/2026 14:40 © Moov.Mg

Tsy avy amin’ny fototarazo na « génétique » ihany no mahatonga ny volo ho mafy, mangirana sy salama. Misy ireo fikarakarana ny volo tsara atao amin’ny fiainana andavanandro mba hanatsarana ny fahasalaman’ny volo. Araho ary ny santionany amin’ireo fomba tsotra hikolokoloana ny volo mba hahamafy sy tsy mora tapatapaka azy.

Fikarakarana ny volo hahamafy azy : safidiana tsara ny « shampoing » ampiasaina

Manomboka amin’ny fanasana ny volo ny fikarakarana azy mba hahatonga azy ho mafy sy tsy mora simba. « Shampoing » mety amin’ny karazam-bolon’ny tena no safidiana. Ireo vokatra mahery loatra, be « sulfates », dia mety hamparefo ny taom-bolo sy hanamaina ny hodi-doha. Tsara raha « shampoing doux » no ampiasaina ary atao mifanelanelana lavitra ny andro hanasana loha mba hitandrovana ny « film protecteur » ny volo.

Tsy atao tsirambina ny hodi-doha

Eo amin’ny hodi-doha salama no maniry ny volo mafy sy tsy mora tapatapaka. Noho izany dia mila karakaraina tsara ny hodi-doha. Somaro horina moramora amin’ny lohan’ny rantsan-tanana izy io rehefa manasa loha mba hampikoriana tsara ny rà sy hampaniry tsara ny volo. Manao « gommage capillaire » indray mandeha na indroa isam-bolana mba hanesorana ireo loto miraikitra amin’ny hodi-doha sy mba hampahazo rivotra ny fotom-bolo.

Hamandinina sy homena sakafo matetika ny volo

Ny « masques », « après-shampoings » sy ny « soins » tsy mila kobanina no vokatra fikarakarana ny volo mba hanamandina azy. Ny « soins nourrissants » kosa no manome sakafo sy manamafy ny volo. Eo amin’ny halavan’ny volo sy ny tahony no tena hosorana ny « soins nourrissants » mba tsy hanavesatra ny fotom-bolo. Ny menaka zavamaniry toy ny menaka voanio, menaka oliva, menaka kinàna, « huile d’argan »… no isan’ireo karazana « soins nourrissants » manome sakafo ny volo.

Ferana ny fampiasana hafanana eo amin’ny volo

Ny fitaovana mampiasa hafanana, toy ny « brushing », « fer à lisser »… dia mamparefo ny volo rehefa ela ny ela. Raha mbola azo atao dia avela ho mainan’ny rivotra ny volo rehefa azo sasana ary ferana ny fampiasana ireo fitaovana voalaza ireo. Raha tsy maintsy hampiasa azy ireny, ohatra hoe hanao volo, dia mila hosorana « soin thermo-protecteur » na hoe vokatra miaro amin’ny hafanana, hatrany ny volo mba hamerana ny fahasimbana ateraky ny hafanana be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires