• Cours de change
  • 5252.34 AR
  • |
  • $4542.7 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fanadiovana ny solomaso : mila fahaizana sy fitandremana

15/01/2026 15:52 © Moov.Mg

Saropady tokoa ny veran’ny solomaso, indrindra ireo solomaso natao hanintsiana na hanatsarana ny fahitana. Raha kiaka izy ireny dia sady hanelingelina ny fahitana no mety hamizaka ka hanimba ny maso.

Mba hitandrovana ny veran’ny solomaso sy tsy hahamora kiaka azy àry dia atoro eto ny fomba fanadiovana ny solomaso sy ireo fahadisoana mila tandremana.

Ireo fahadisoana mila tandremana rehefa manadio solomaso

Mba tsy hahakiaka ny veran’ny solomaso rehefa manadio azy ireny dia misy ireo fahadisoana mila tandremana :
-Mampiasa lamba tsy mety, toy ny akanjo, « mouchoir à jeter », « essuie-tout », servieta fandroana… izay mety hanakiaka kely ny veran’ny solomaso. Efa misy lamba manokana famafana solomaso ka izy io ihany no tsara ampiasaina ;
-Tsy manakobana ny solomaso alohan’ny hamafana azy. Ny famafana maina be ny solomaso nefa misy vovoka na fasika miraikitra eo amin’ny verany dia mety hanakiaka ireto farany ihany koa ;
-Mampiasa « produits agressifs », toy ny alikaola, vokatra fanadiovana fitaratra, savony fanadiovana ao an-trano, « acétone » na « gels désinfectants » dia hanimba ny « traitements » an’ireo vera ;
-Mampiasa rano mafana hanadiovana ny solomaso. Ny hafanana dia mety hanova ny endriky ny tahon’ny solomaso sy hanimba ny fiasa « antireflets » an’ireo vera ;
-Mampiasa « chiffon microfibre » maloto. Io lamba io no natokana hanadiovana ny veran’ny solomaso. Raha maloto nefa izy io no ampiasaina dia mety hanakiaka ny vera ihany koa ;
-Manisy fofon’aina amin’ny vera satria ny fofon’aina dia misy tavy, hany ka rehefa fafana ilay vera dia mety hisy tasy sy diana kiaka kely.

Ny fomba fanadiovana ny solomaso

-Kobanina amin’ny rano matimaty ny solomaso hanesorana ireo vovoka mipetraka eo amin’ny verany ;
-Mampiasa savony malefaka. Asiana ranon-tsavony malefaka mitete kely eo amin’ny vera sy ny tahon’ny solomaso ;
-Fafana moramorama amin’ny rantsan-tanana ny faritra rehetra ;
-Averina kobanina tsara amin’ny rano matimaty ;
-Rehefa vita izay dia hamainina amin’ny lamba fanadiovana solomaso madio sy maina.
Fanamarihana : misy ihany koa moa ny « produit » manokana fanadiovana ny veran’ny solomaso izay afaka vidiana eny amin’ny mpivarotra solomaso na eny amin’ny farmasia eny.

Lire la suite

Articles Similaires