• Cours de change
  • 5294.82 AR
  • |
  • $4563.56 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo famantarana alefan’ny vatana tsy azo atao tsirambina

08/01/2026 12:40 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra mandefa famantarana ny vatantsika. Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy dia misy ahiana loatra, fa misy ihany koa nefa ireo tokony hampanahy. Manampy betsaka amin’ny fisorohana fahasarotana sy fiarovana ny fahasalamana ny fahafantarana ireo fambara na soritr’aretina tsy azo atao tsirambina sy ilaina fitsaboana maika.

Ireo famantarana mila fitsaboana sy fandraisana an-tanana maika

Entina malaky amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana ny olona iray raha toa ka :
-Manaintaina tsy mahazatra eo amin’ny tratra, toy ny hoe misy manery, mavaivay na manindry, indrindra raha sady tsemboka, maloiloy na mamaly any amin’ny sandry, lamosina na valanorano izany fanaintainana izany ;
-Sahirana tampoka miaina na sempotra be ;
-Misy fambarana AVC (fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny loha), toy ny hoe tsy voafehy ny ilan’ny vatana, sahirana miteny, mivilana ny tarehy, tsy mahita tampoka na manjavozavo ny fahitana… ;
-Safotra, torana na mifanintona ;
-Manaintaina mafy sy tampoka ny kibo, indrindra raha manavy na mandoa tsy mitsahatra ;
-Misy soritr’aretina « allergie » mahery vaika, toy ny hoe mivonto ny tarehy na ny tenda, sahirana miaina na sempotra ;
-Mandeha rà be na rà tsy mety mijanona.
Tsy azo atao ny mangatak’andro manoloana ireo tranga ireo satria na ny fahatarana minitra vitsy aza dia mety hitera-doza.

Ireo soritr’aretina mila fizahan’ny mpitsabo malaky

Tsara ny manatona mpitsabo ao anatin’ny andro vitsivitsy raha mahatsikaritra :
-Havizanana be na tsy mahazatra izay tsy mety misinda na efa maka aina tsara aza ;
-Manao « palpitations » matetika, miovaova ny fitempon’ny fo ;
-Marary andoha tsy mahazatra na mafy kokoa ;
-Mora sempotra na tsy avy miaina rehefa mampiasa vatana kely ;
-Mikohaka maharitra ny telo herinandro ;
-Fanaviana tsy mety miafana, tsemboka be amin’ny alina na mangatsika be ;
-Mihamahia tampoka nefa tsy nanena vatana.

Lire la suite

Articles Similaires