RN5 Toamasina – Foulpointe : Misy fahatarana ny asa fanarenana ny lalana
Ahitana fahatarana be ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina amin’i Foulpointe. Nitsidika izany asa izany, tany an-toerana mantsy ny Minisitra ny asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, ny faran’ny herinandro teo.
Asa efa nanomboka tamin’ny mai 2025
Isan4ny lalana be mpampiasa rehefa fotoan’ny fialan-tsasatra. Mampifandray distrika maro ihany koa, indrindra fitaterana ireo vokatra avy any ambany vohitr’i Tomasina ny RN5. Efa nanantena ny handeha amin’ny fotodrafitrasa tsara kokoa, noho ny taloha ireo karazana mpampiasa lalana ireo. Isan’izany ireo mpamokatra « litchis » nandritra ny taom-piotazana, taona 2025, farany teo. Raha tsiahivina moa dia ny volana mai 2025 no nanomboka ny fanamboarana io lalana io. Tsy mbola vita izany, hatramin’izao, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny asa vaventy. Voalaza tao anatin’izany fa ankoatra ny rotsak'orana nanembatsembana ny asa, dia antony tsy nahavitan'ny orinasa azy koa ny fahasarotan'ny fakana ireo akora sy vato eny amin'ny "carrière", nohon'ny haratsian'ny lalana.
Nomena baiko ny orinasa : hafainganina ny asa
Manolona izany fahatarana izany dia nanome baiko ny orinasa mpanatanteraka ny asa ny ao amin’ny Minisitera ny hafainganana ny asa. Isan’ny nomarihin’ny Minisitra tamin’izany ny fanarenana haingana ny lalana mankany amin’ny « carrière », mba hahafahana mitatitra malaky ireo akora ampiasaina.
Mbola goavana mantsy ny asa miandry satria harenina manontolo io lalana 50 km io. Misy amin’izany ny ho atao « béton » ary misy ny ho atao tara. Araka ny hita teny an-toerana dia efa vita ny "chaussée rigide" na ny lalana "bétonnée" ary efa hiroso amin'ny fanaovana "chaussée souple" na ny lalana tara ny Orinasa. Maindry ny fahafenoan’ny fepetra amin'ny fitaterana ireo akora akora rehetra hanatanterahana izany sisa. Raha ny tokony ho izy, araka izay fantatra tamin’ny volana mai 2025 dia maharitra 12 volana ny asa, saingy hatreto aloha dia mbola tsy nisy fe-potoana volaza hahavitany.
Etsy ankilany dia efa mihazo mianavaratra ny fanamboarana amin' izao fotoana izao, fa tsy mijanona eo Foulpointe, ihany. Mitohy ihany koa ny fanamboaran-dalana ao an-tampon-tananan'i Toamasina.


