Mpox : Mihamafy ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina
Samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo Ministera sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny, manoloana ny fiparitahan'ny nendran-drajako.
Faritra Analamanga
Efa misy olona tratran'ny Nendran-drajako eto Antananarivo, araka ny vaovao voaray avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Manoloana izany indrindra, tsikaritra fa efa miha-mitombo ireo mitondra arovava sy orona eny an-dalana, anaty fiara fitateram-bahoaka sy anaty birao samihafa.
Ho an'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena, efa mitohy hatrany ny fampiharana ny fepetra sakana, eny anivon'ireo toeram-pampianarana sy birao samihafa. Tamin'ity 12 janoary ity, nanao fanentanana manokana teny amin'ny EPP sy CEG Antanimbarinandriana ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, notarihan'ny Minisitra Dr HANITRINIAINA Elys Karena. Nampahatsiahivina nandritra ny fananganan-tsaina ireo fenitra ara-pahasalamana tokony arahina, toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, ny fanajana ny elanelana ary ny fisorahana ny fifampikasohana. Nisy ihany koa ny fizarana arovava orona (cache-bouche) moa ireo mpianatra sy mpandraharaha eo anivon'ireo sekoly ireo.
Faritra Amoron'i Mania
Mandray andraikitra feno manoloana izao valan'aretina Mpox izao ny DSRP Amoron'i Mania. Ny zoma 09 Janoary lasa teo, nidina teny amin’ny Gare routière Ambositra ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hanentana mivantana, ho fisorohana sy hiadiana amin’ny aretina Nendran-drajako. Ireo mpiasan’ny ATT sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny gare routière no tena nanaovana ny fanazavana sy fampahafantarana, indrindra mikasika ireo hetsika sakana sy fepetra tsy maintsy arahina hiarovana ny fahasalamam-bahoaka.
Misy moa ny fikasana handefa spot vidéo ao amin’ny gare routière, mba hahatratra olona maro sy ho fanamafisana hatrany ny hafatra fisorohana.


