Takaitran’ny oram-be : Nahatratra 1 582 ireo olona traboina noho ny fiakaran’ny reniranon’i Mandrare
Noho ny rotsak’orana be nifanesy, tao amin’ny faritra Anosy, Distrika Amboasary Atsimo dia niakatra be ihany koa ny renirano’i Mandrare. Olona miisa 1 582 no traboina, vokatr’izany, raha ny tatitra avy amin’ny Birao Nasionaly mitantana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC).
Tokantrano miisa 418 no traboina
Isan’ny renirano lehibe indrindra ao main’ny faritra Atsimo ity Mandrare ity, izay manana halava hatramin’ny 270 Km ary manana velarana hatramin’ny 12 500 Km2. Araka io velarany io dia mampitondra takaitra olona na-jatony hatrany izy rehefa tena miakatra be. Efa andro maromaro izay no nampitandrina ireo olona mandalo amin’iny toerana iny fa miakatra hatrany io renirano io. Rehefa nidina ifotony tany an-toerana ny CDGRC Amboasary sy ny BNGRC Anôsy sy Androy, nanao tombamaso ny zavatra niseho dia olona 1 582 no traboina izay ahitana tokantrano 418.
Notolorana fanampiana sy tohana
Taorian'ny tombana sy ny fanisana izay niarahana tamin’ny Croix Rouge dia tonga namaly ny antso ny Ministeran'ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana amin'ny alalan'ny BNGRC. Nitondra fanampiana hamaliana ireo filàn'ny mponina, tamin'ny alalan'ny "achat local" tany Ambovombe, izy ireo. Ahitana vary 105 lasaka amin'ny 50kg, menaka 418 litatra, ary voamaina 10 lasaka amin'ny 50kg. Efa nozaraina tamin’ireo traboina, avy hatrany moa ireo tohana ireo.
Tetsy ankilany dia nandray ny anjara tandrify azy ihany koa ireo tompon'andraikitra hafa. Nanolotra fitaovana ilaina amin'ny fanadiovana sy fidiovana toy ny savony, « bidon » ary sur'Eau ny DREAH sy ny UNICEF.
Nanao fizaham-pahasalamana maimaim-poana ireo traboina kosa ny avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka no Sady nanentana ihany koa ny amin'ny resaka fivalanana, tazomoka ary ny Mpox indrindra ny tokony hitandreman'ny rehetra.


