Mpox : Tafakatra 207 ny tranga eto Madagasikara, ny 11 janoary
Tsy mitsaha-mitombo ny trangana nendran-drajako eto Madagasikara. Ny datin'ny 11 janoary, miisa 207 ireo tranga, ka 23 ireo olona voamarina fa voan'ny nendran-drajako raha 184 kosa ireo tranga ahiana.
Ny 10 sy 11 janoary, 23 ireo tranga voamarina. Ny tranga ahiana no niakatra tao anatin'ny 24 ora, ka 207 ny antontan'isa farany. Hatreto, faritra 4 no voakasiky ny nendran-drajako, dia Analamanga, Vakinankaratra, Betsiboka ary Boeny. Ny any amin'ny faritra Boeny no ahitana marary maro indrindra, izany hoe 17 amin'ny 23. Miisa 4 kosa ireo marary voamarina ao amin'ny faritra Vakinankaratra ary iray avy ao Analamanga sy Betsiboka.
Fandraisana andraikitra
Mitohy sady mandeha tsara avokoa ny fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fikarohana mikasika ilay valan'aretina, araka ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Mitohy hatrany moa ny fandraisana andraikitra, ka anisan'izany ny fanamafisana ny fanentanana. Miankina betsaka amin'ny tsirairay ny fitandremana amin'ny andavan'andro, indrindra ny fanantonana mpitsabo avy hatrany raha misy mampiahiahy : tasy tsy mahazatra amin'ny vatana, fivontosana madinika na fibontsinana, atodin-tarina, harerahana tafahoatra, sns.
Marihana fa "tokony miditra hopitaly avokoa ireo marary voamarina fa voan'ny nendran-drajako", araka ny toromariky ny profesora Randria Mamy Jean de Dieu, mpitondratenin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Entina hanomezana fitsaboana sahaza izany, sady hanamorana ny fanaraha-mason'ny mpitsabo. Tsy adino ny fisorohana ny fiparitahan'ny aretina. Mikasika ny vakisiny kosa, efa miroso amin'ny dingana fanarafana izany ny Ministeran'ny Fahasalamana, araka ny tatitry ny Minisitra Dr Magnana Monira. Ireo olona marefo moa no atao lohalaharana amin'ny fisitrahana izany vakisiny izany.


