• Cours de change
  • 5230.01 AR
  • |
  • $4527.38 AR
Copyright Image : © Vous Par Macif
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : Ireo zavatra tsy tokony hataon’ny vehivavy bevohoka

20/01/2026 16:44 © Moov.Mg

Fotoana saro-pady eo amin’ny fiainan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka, satria misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka ny fihetsika sy safidy ataony isan’andro. Mba hiantohana ny fitomboan’ny zaza ara-dalàna sy ny fahasalaman’ny reny dia andeha ho fantarina ireo zavatra tsy tokony ataon’ny vehivavy bevohoka.

Vehivavy bevohoka : tsy tokony hifoka sigara na hisotro toaka

Ny sigara sy ny zava-pisotro misy alikaola dia mety hiteraka olana lehibe toy ny fahaterahana aloha loatra, lanja ambany rehefa teraka ny zaza, ary fahasimbana na tsy fahatomomban’ny atidohan’ny zaza. Zava-dehibe ny fisorohana tanteraka azy ireo mandritra ny fitondrana vohoka mba hiantohana ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo sy ny fahasalamany rehefa teraka.

Tsy tokony hihinana na hampiasa fanafody tsy nomen’ny mpitsabo

Maro ireo fanafody tsy mety amin’ny bevohoka satria mety hampidi-doza ho an’ny zaza ao an-kibo. Noho izany, raha misy fanaintainana na aretina mahazo mandritra ny fitondrana vohoka dia tsy maintsy manatona mpitsabo fa tsy azo atao ny manao dokotera tena. Fanafody avy amin’ny mpitsabo ihany no azo hoanina na hampiasaina.

Tsy tokony hiasa na hampiasa vatana mafy loatra

Ny asa mavesatra sy ny havizanana tafahoatra dia mety hiteraka fahasarotana amin’ny fitondrana vohoka. Tsy midika izany fa tokony hatory foana na tsy hampiasa vatana mihintsy ny bevohoka. Ny tokony atao dia manao raharaha toy ny mahazatra fa kosa mila miala sasatra matetika ary tsy zavatra mampiasa vatana mafy be no atao, toy ny mibata zavatra mavesatra. Fadiana ihany koa ny manao fanatanjahantena mety hampidi-doza.

Tsy tokony hihinana sakafo tsy madio na tsy masaka tsara

Ny sakafo tsy madio sy tsy masaka tsara dia mety mitondra mikraoba mampidi-doza ho an’ny reny sy ny zaza. Maro ireo karazana aretina mety ho azy avy amin’izany izay mety hahatonga fahasamponan’ny zaza, fahaterahana tsy tonga volana, fahafahan-jaza, fahasarotana eo amin’ny fitondrana vohoka… Noho izany dia tokony atao masaka tsara hatrany ny hena, trondro ary ny atody ; ary sasana tsara ny voankazo sy legioma.

Tsy tokony hanao tsirambina ny fisafoana

Zava-dehibe ny fisafoana eny amin’ny tobim-pahasalamana mba hanaraha-maso ny fivoaran’ny vohoka sy hisorohana olana mety hitrany.

Lire la suite

Articles Similaires