• Cours de change
  • 5219.46 AR
  • |
  • $4516.51 AR
Copyright Image : © Passion Santé
Image
Reny&Zaza

Zaza feno « boutons » mena ny vatana : mety avy amin’ny sakafo tsy zaka

21/01/2026 15:12 © Moov.Mg

Tranga mety hiseho ny hoe feno pentina menamena na mandrotsirotsy mangidihidy maro mivoaka eo amin’ny tarehy na ny vatan’ny zaza. Raha efa misakafo izy dia mety avy amin’ny sakafo tsy zakany no mahatonga izany. Andeha ho resahana eto ny santionany amin’ireo karazana sakafo mety tsy zakan’ny zaza na hoe mampanao « allergie alimentaire » azy.

Zaza feno « boutons » mena ny vatana : mety tsy mahazaka voankazo miloko mena

Anisan’ireo sakafo tsy zakan’ny zaza na hoe mampanao « allergies » azy ireny ny voankazo miloko mena na ireo antsoina hoe « fruits rouges ». Mitahiry « allergènes » tokoa mantsy izy ireny ka maro ny zaza tsy mahazaka izany. Ny « allergènes » dia singa anaty sakafo mahatonga « allergies ». Tafiditra anatin’ny atao hoe « fruits rouges » ny frezy, voarohy, « framboises », « cassis »… Noho izany dia tsy tsara homena ireo karazana voankazo ireo ny zaza latsaky ny 2 taona satria mety mbola tsy ho zakany izany. Maro ny zaza mivoaka « boutons » mena sy mivalana vao mihinana frezy.

Ronono na vokatra avy amin’ny ronono

Ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono dia voasokajy ho isan’ireo sakafo « allergènes ». Raha mbola latsaky ny 2 taona ny zaza dia tsy tokony mbola hampisotroina ronono velona. Ity farany tokoa mantsy dia sarotra levonina ary tena mety mampisy « allergie ». Toy izany ihany koa ireo fromazy malemy (fromage mou), toy ny « Vache qui rit », « Teama »… izay ahitana « matières grasses » mavesatra mety tsy ho zakan’ny zaza ka mahatonga azy hisy « boutons » mena, na mangidihidy, na koa mivalana rehefa mihinana izany.

Voanjo sy ireo karazana « noix »

Tafiditra ho isan’ireo sakafo tsy zaka mahatonga ny zaza hisy « boutons » rouges na mandrotsirotsy mangidihidy ny « noix ». Ambony tokoa mantsy ny tahan’ny « allergènes » hita ao anatin’izy ireny ka na ny olon-dehibe àry maro no tsy mahazaka izany. Voasokajy ho isan’ny « noix » moa ny voanjo, ny « noisettes », ny mahabibo… Arak’izany dia mila mitandrina tsara rehefa manome totom-boanjo ny zaza. Raha misy « boutons » mena mipoitra amin’ny tarehiny na ny vatany rehefa mihinana izany dia ajanona avy hatrany.

Rahoviana no mila manantona mpitsabo ?

Tsy azo atao tsirambina ny tsy fahazakana sakafo na « allergies alimentaires » eo amin’ny zaza. Ilaina hatrany ny manantona mpitsabo rehefa mahatsikaritra fa misy sakafo tsy zakan’ny zaza mba hahazoan’ity farany ny fitsaboana sahaza azy.

Lire la suite

Articles Similaires