Ahoana ny atao hifehezana ny rarintsaina amin’ny asa mba tsy ho resin’izany ?
Lasa andavanandrom-piainana ho an’ny mpiasa maro ny rarintsaina eny am-piasana. Fe-potoana fohy, vesatra ara-tsaina, « pression » amin’ny vokatra andrasana… Rehefa maharitra sy mafy loatra ny rarintsaina dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana, ny risi-po amin’ny asa ary ny vokatra azo. Na izany aza nefa dia azo iainarana tsara ny fomba hifehezana azy mba tsy hahatsapa ho resin’izany sy ho trotraka.
Fantarina ny rarintsaina mianjady amin’ny tena mba hahafehezana azy
Tsy voatery ho ratsy avokoa ny rarintsaina. Raha antonony izy io dia afaka manampy amin’ny fifantohana sy fahombiazana amin’ny asa. Raha mitohy sy tsy voafehy kosa nefa izy io dia lasa mivadika olana.
Zava-dehibe ny mamantatra izay tena mahatonga ny rarintsaina ao am-piasana : vesatr’asa be loatra, tsy fahampian’ny fankasitrahana, olana amin’ny mpiara-miasa, tahotra ny hanao fahadisoana, na tsy fahavitana mandanjalanja ny asa sy ny fiainana manokana. Manampy betsaka amin’ny fikarohana vahaolana mazava sy mahomby hifehezana ny rarintsaina ny fanokanana fotoana handinihana ireo antony ireo.
Averina fehezina ny fandaminana ny asa
Matetika ny tsy fandaminana tsara no mampitombo ny fahatsapana ho tototry ny asa. Mba hanamboarana izany dia :
-Jerena ny laharam-pahamehana amin’ny asa, avahana ny maika sy izay tena zava-dehibe ;
-Zarazaraina ho dingana kely azo tanterahana ny asa lehibe sy mavesatra ;
-Fadiana ny manao asa maro miaraka satria mandreraka ny saina izany ;
-Manokana fotoana hiatrehana izay tsy ampoizina (imprévus).
Mampihena ny vesatra ara-tsaina ary manome fahatsapana fahafehezana ny fanatanterahana ny asa ny fahaizana mametraka fandaminana mazava sy mirindra.
Mianatra mametraka fetra
Indraindray dia avy amin’ny fiezahana manaiky sy manenjika ny zava-drehetra no mahatonga ny fahatsapana tototra sy resin’ny asa. Tsy midika fahalemena na tsy fahaiza-miasa ny fahaizana mandà, mangataka fotoana fanampiny, na milaza mazava ny fetran’ny tena. Mifanohitra amin’izany aza, satria sady miaro ny herin’ny tena sy ny kalitaon’ny asa, ary misoroka ny faharerahana tafahoatra ny fanaovana izany.
Ovaina ny fomba fijery ny « pression »
Mifandray amin’ny fomba fandraisana ny toe-javatra ihany koa ny rarintsaina. Ny fiezahana ho tonga lafatra loatra, ny tahotra ny handiso fanantenana ny hafa, na ny fanakianan-tena tafahoatra dia mampitombo tsy amin’antony ny « pressions » amin’ny asa. Mba ampitoniana ny saina sy hiadiana amin’ny rarintsaina dia ilaina ny fahaizana mandanjalanja, ny fanekena fa tsy misy ny tonga lafatra, ary ny fankasitrahana ny zava-bitan’ny tena.


