Ireo fahazarana 6 ananan’ny olona tena mamokatra amin’ny asa
Tsy miankina amin’ny faharetan’ny ora iasana ao anatin’ny tontolo andro fotsiny ihany ny famokarana amin’ny asa, fa miankina indrindra amin’ny fomba fandaminana ny asa sy ny ezaka atao. Matetika aza dia tsy voatery miasa ela kokoa noho ny hafa ny olona tena mahomby. Avy amin’ny fahazarana tsara manampy azy hahavita zavatra bebekoa amin’ny fotoana voafetra no mahasamihafa azy ireo. Ireto àry misy fahazarana 6 anana’ny olona tena mamokatra amin’ny asa.
Olona tena mamokatra amin’ny asa : mandamina mialoha ny androny
Isan’ireo fahazarana tsara ananan’ny olona mahomby sy mamokatra amin’ny asa ny fanombohany ny androny amin’ny drafitra mazava. Izany hoe manao lisitra ny asa tokony atao ary manavaka izay tena laharam-pahamehana. Izany dia manampy mba tsy ho very hevitra mandritra ny andro sy hahafantarana tsara izay tokony hifantohana.
Mifantoka amin’ny zava-dehibe
Ny olona mamokatra tsara amin’ny asa dia mahafantatra fa misy asa manan-danja kokoa noho ny hafa. Ireny asa lehibe ireny no hifantohana fa tsy mikitika asa maro indray mandeha. Isan’ny fitsipika ampiharin’izy ireny ny hoe : tsara kokoa ny manao zavatra vitsy fa vita tsara.
Miezaka misoroka ny fanelingelenana
Maro ny zavatra mety hanakorontana ny fifantohana: finday, tambajotra sosialy, na fampandrenesana (notifications) isan-karazany. Ny olona mamokatra amin’ny asa dia miezaka mametra ireny fanelingelenana ireny mba hahafahany mifantoka tanteraka amin’ny asa ataony.
Miasa amin’ny fotoana voafaritra tsara
Fahazarana iray mahazatra koa ny miasa amin’ny fe-potoana voafaritra. Izany hoe mifantoka tsara mandritra ny fotoana iray, avy eo maka fiatoana (pause) fohy. Ity fomba ity dia manampy amin’ny fitazonana ny herin-tsaina sy misoroka ny havizanana.
Mahay mandà rehefa ilaina
Fantatry ny olona mamokatra sy mahomby amin’ny asa fa sarobidy ny fotoanany. Noho izany dia tsy manaiky ny fangatahana rehetra izy ireo. Raha misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny tanjony na mandany fotoana be loatra, dia mahay mandà amim-pahendrena izy.
Mikarakara ny vatany sy ny heriny
Tsy ny fandaminana ny fotoana ihany no zava-dehibe fa koa ny fikarakarana ny vatana sy ny saina. Ny torimaso ampy, ny fanatanjahantena, ary ny fiatoana ara-potoana dia manampy ny olona hijanona ho mahomby sy mazoto mandritra ny andro.




