Ny haromotana : rehefa tsy azo sitranina intsony ny aretina
Ny haromotana dia isan’ireo aretina mampatahotra indrindra eran-tany. Na dia efa fantatra hatry ny ela aza izy io ary azo sorohana amin’ny alalan’ny vaksiny, dia saika mahafaty hatrany rehefa miseho ny soritr’aretina. Ilaina ny mahafantatra misimisy kokoa mikasika ity aretina ity mba hahatsapana ny maha-zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitsaboana haingana.
Haromotana : aretina vokatry ny viriosy avy amin’ny biby
Ny haromotana dia vokatry ny viriosy iray mifindra amin’ny alalan’ny kaikitra, rangotra na filelafana ratra nataon’ny biby mitondra ilay otrikaretina. Ny alika no mamindra ity aretina ity indrindra amin’ny olombelona, saingy mety hitondra sy hamindra ilay viriosy ihany koa ny biby hafa toy ny ramanavy, saka, amboadia…
Rehefa tafiditra ao amin’ny vatana ilay viriosy dia manomboka mihetsika sy miparitaka miadana kely nefa mampidi-doza.
Mivoatra mangina mankany amin’ny atidoha
Ny viriosin’ny haromotana dia tsy miparitaka avy hatrany amin’ny ra toy ny fahita amin’ireo aretina maro hafa. Mijanona eo amin’ny faritra misy ny ratra aloha izy io amin’ny voalohany. Avy eo miakatra miandalana manaraka ny lalan’ny taova fandraisana hafatra (nerfs). Amin’ny farany dia tonga any amin’ny rafitra ara-tsaina afovoana (système nerveux central), indrindra ao amin’ny atidoha.
Mety haharitra herinandro maromaro, volana maro, na indraindray ela kokoa aza ny vanim-potoana fampidirana (incubation). Mandritra izany fotoana izany dia tsy mbola misy soritr’aretina ilay olona marary, nefa mbola mivoatra hatrany ao anaty vatana ilay viriosy.
Rehefa miseho ny soritr’aretina dia efa tara loatra
Ny fisehoan’ny soritr’aretina voalohany dia manamarika fivoaran’ny aretina tsy azo fehezina intsony. Ireto no tena soritr’aretina mahazatra :
-tazo sy fanaintainan-doha ;
-tebiteby, fihetsika tsy voafehy, fahitana zavatra tsy misy (hallucinations) ;
-fahatsapana tafahoatra ny hazavana sy feo (tsy zaka) ;
-tahotra ny rano (hydrophobie) vokatry ny fikorontanan’ny hozatra ;
-fahalemen’ny hozatra, hatramin’ny tsy fahatsiarovan-tena (coma).
Amin’io dingana io dia efa voa mafy sy tsy azo sitranina intsony ny atidoha. Tsy misy fitsaboana afaka mamono ilay viriosy intsony. Mihoatra ny 99 % ny tahan’ny fahafatesana, ka mahatonga ny haromotana ho isan’ny aretina mahafaty indrindra eran-tany.
Aretina tsy azo sitranina… nefa azo sorohana
Na dia avo dia avo aza ny tahan’ny fahafatesana eo amin’ny olona tratry ny haromontana dia azo atao tsara ny misoroka ny fihombon’izy amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana malaky.
Rehefa misy kaikitry ny biby na fifampikasohana mampiahiahy dia :
-Sasana avy hatrany amin’ny rano sy savony ny ratra ;
-Diovina amin’ny fanafody famonoana mikraoba ;
-Manao vaksiny fanefitry ny haromontana haingana any amin’ny « Institut Pasteur » na toeram-pitsaboana hahafahana manao izany ;
-Tsindromina « immunoglobulines antirabiques » raha ilaina.
Saika mahomby 100 % ireo fepetra ireo raha atao alohan’ny hisehoan’ny soritr’aretina.


