• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aroma Zone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ampy torimaso nefa mbola reraka rehefa mifoha: inona no mety ho antony ?

03/02/2026 11:42 © Moov.Mg

Matory adiny fito, valo na sivy ora isak’alina… nefa mbola reraka ihany rehefa mifoha ny maraina. Maro no miaina io toe-javatra io ary mety miteraka fahasosorana tokoa izany rehefa ela ny ela. Marina fa zava-dehibe ny faharetan’ny torimaso, nefa kosa mety misy fiantraikany amin’ny herintsika isan’andro ihany koa ny kalitaon’ny torimaso, ny fomba fiaina ary ny toe-tsaina entina miatraika ny fiainana.

Torimaso tsara kalitao : tsy midika hoe torimaso maharitra fotsiny

Misy dingana maro ny torimaso (torimaso maivana, torimaso lalina ary torimaso misy nofy). Raha tapaka matetika ireo dingana ireo — noho ny fohazana amin’ny alina, fikorontanan’ny torimaso na tabataba — dia tsy afaka mamerina hery tsara ny vatana sy ny saina. Vokany, na dia matory ela aza dia mbola reraka ihany rehefa mifoha sy mandritra ny tontolo andro.

Mamizaka toy ny tsy fahampiana torimaso ny rarintsaina sy ny vesatra ara-tsaina

Rehefa feno ahiahy sy eritreritra tsy mitsahatra ny saina dia sarotra ny miala sasatra tanteraka. Ny rarintsaina sy ny tebiteby dia manakana ny atidoha tsy hiditra amin’ny torimaso lalina, ka na matory ihany aza isika dia tsy tena miala sasatra araka ny tokony ho izy ny saina sy ny vatana.

Manakorontana ny fahazoana torimaso lalina ny efijery (écrans)

Maro amintsika no zatra mampiasa na mijery finday, solosaina na fahitalavitra rehefa alohan’ny hatory. Ireo fitaovana ireo nefa dia mamoaka hazavana manga izay manakana famokarana « mélatonine », izay hormonina mifehy ny torimaso. Na dia mahita tory haingana azy isika dia mety tsy ho tonga amin’ny torimaso lalina. Ny tsy fisian’ity farany moa dia antony iray lehibe mahareraka rehefa mifoha.

Fomba fiaina tsy ara-dalàna

Misy fiantraikany mivantana eo amin’ny herin’ny vatana ny fomba fiaina tsy ara-dalàna. Ny sakafo tsy voalanjalanja, ny tsy fanaovana fanatanjahantena ary ny tsy fahampian-drano dia mety hiteraka havizanana maharitra. Ny fihinanana siramamy be, kafe na alikaola tafahoatra ihany koa dia mety hampiakatra hery vetivety, avy eo mampidina azy tampoka.

Tsy fahampiana otrikaina na olana ara-pahasalamana miafina

Ny havizanana maharitra dia mety avy amin’ny tsy fahampian’ny otrikaina sasany (fer, magnésium, vitamine D) na koa avy amin’ny aretina toy ny fahatapahan’ny « respiration » rehefa matory, ny fikorontanan’ny hormonina na « inflammation » ao amin’ny vatana. Raha tsy mety misinda ny harerahana na dia efa natory tsara sy namboarina ny fomba fiaina dia tsara ny manantona mpitsabo.

Tsy voahaja ny famantaranandro voajanahary ao amin’ny vatana

Ny fatoriana tara, ny fifohazana aloha loatra, na ny ora fatoriana miovaova matetika dia manakorontana ny gadona voajanahary ao amin’ny vatana. Na ampy aza ny ora fatoriana, dia mety hahatsiaro ho tsy ampy hery ny tena rehefa mifoha.

Lire la suite

Articles Similaires