• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Supertoinette
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana « foie gras » vita ao an-trano

10/02/2026 16:21 © Moov.Mg

Sakafo anisan’ny matsiro sy be mpankafia ny « foie gras ». Maro moa no mandroso azy io amin’ireo karazana lanona samihafa. Azo hoanina amin’ny andavanandro ao an-tokantrano ihany koa moa izy io. Somary lafo vidy ny « foie gras » rehefa vidiana vita, azo atao tsara ihany koa nefa ny manamboatra azy io ao an-trano. Araho eto ny fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra « foie gras »

-« Foie gras de canard » 500g ;
-Dipoavatra ½ ny sotrokely ;
-Sira 1 sotrokely ;
-Cognac na porto 1 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sokafana moramora ilay « foie gras ». Raha mbola tsy niala ireo lalan-drà lehibe eo aminy dia mila esorina. Raha avela eo ireo lalan-drà lehibe ireo dia mety hampisy tsiro mangidy ny « foie gras ».
Rarahana sira sy dipoavatra ny lafiny rehetra.
Rarahana ilay porto na cognac ary avela hilona mandritra ny 8 ora eo ho eo.
Velarina ny « film alimentaire ». Apetraka eo amboniny ilay « foie gras » nalona teo. Ahorina atao « rouleau » tery tsara ary fehezina tsara ny sisin’ilay « film alimentaire ».
Rehefa vita izay dia afatotra amin’ny « film » 2 na 3 sosona. Fonosina ilay lamba (torchon) ary fatorana tsara.
Miditra amin’ny fandrahoana azy. Manao rano mangotraka amin’ny vilany. Rehefa mivadibadika tsara dia bataina teo ambony afo.
Atsofoka ao anatin’ilay rano mangotraka mandritra ny 15 minitra ilay « foie gras » mifono « film alimentaire » sy lamba. Tsy avela hijanona ao mihoatra io fe-potoana io.
Esorina tao anatin’ny rano. Avela hangatsiaka avy eo ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 48 ora fara fahakeliny.
Rehefa vita izay dia esorina ny « film alimentaire » sy ny lamba namonosana azy. Tetehana manify ary azo aroso avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires