Aretina « bronchiolite » : tandremo fa mora mifindra sy miparitaka be
Aretin’ny taovam-pisefoana mifindra haingana, indrindra amin’ny zazakely latsaky ny 2 taona ny « bronchiolite ». Matetika dia miantomboka amin’ny kohoka tsotra izy io, ka raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna dia mety hitarika fahasarotana amin’ny fifohana rivotra na « respiration ». Araho eto ny fomba fisehon’ny aretina « bronchiolite », ny fomba fifindrany sy ny fitandremana azo atao.
Inona no atao hoe « bronchiolite » ary ahoana ny fisehony ?
Ny « bronchiolite » dia isan’ireo aretin’ny taovam-pisefoana mora mifindra sy miparitaka. Raha ny marina kokoa dia aretin’ny lalan-drivotra madinika ao amin’ny havokavoka (bronchioles) izy io ary matetika dia azo avy amin’ny viriosy (toy ny VRS).
Io viriosy io dia mampivonto sy manentsina ireo lalan-drivotra madinika ka mahatonga fahasarotana amin’ny fifohana rivotra (respiration). Anisan’ireo soritr’aretin’ny « bronchiolite » fahita sy tokony hahamailo ny :
-Kohaka tsy mitsahatra,
-Tazo malefaka,
-Orona mikoriana,
-Maneno misioka (sifflement) ao amin’ny tratra rehefa miaina,
-Miaina haingana na sahirana miaina,
-Tsy mazoto minono/ misotro ronono/ misakafo.
Mila entina malaky any amin’ny tobim-pahasalamana ny zaza marary raha toa ka :
-Miloko manga ny molony,
-Mihetsiketsika be ny kibony rehefa miaina,
-Malemilemy sy tsy mahazo aina mihintsy.
Ahoana ny fomba fifindran’ny aretina ?
Ny aretina « bronchiolite » dia mifindra amin’ny alalan’ny :
-Rora, piti-drora na tsiranoka avy amin’ny kohoka na fitsentsefana,
-Fizarana fitaovana na kilalao,
-Tanana tsy voadio.
Ahoana ny fitandremana atao ho fiarovana amin’ny « bronchiolite » ?
Misy ireo fihetsika sy fitandremana azo atao mba ho fiarovana ny zaza amin’ny « bronchiolite » :
-Sasana matetika ny tanana, na ny an’ny zaza na ny mpitaiza,
-Tsy avela mifandray amin’ny olona marary izy,
-Diovina matetika ny fitaovana sy kilalaony,
-Ampinonoina matetika ny zaza (raha azo atao) mba hanamafisana ny hery fiarovany,
-Tsy avela hisy fofon-tsigara manodidina azy,
-Diovina matetika amin’ny « sérum physiologique » ny orony raha vantany vao manomboka misimisy lelo kely fotsiny.




