• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina mangina 3 lehibe tokony ho fantatra alohan’ny faha-50 taona

17/02/2026 16:33 © Moov.Mg

Mety hahatsiaro ho salama ny olona iray: afaka miasa, mihetsika, ary tsy mahatsiaro marary. Misy nefa aretina sasany mivoatra miadana ao anaty vatana nefa tsy mampiseho soritr’aretina mazava. Izy ireny no antsoina hoe aretina mangina na « maladies silencieuses ». Zava-dehibe ny mahafantatra azy ireo alohan’ny faha-50 taona, satria raha fantatra mialoha dia mora kokoa ny misoroka sy mitsabo azy. Ireto avy àry ny santionany amin’ireo aretina lehibe tokony hotandremana.

Aretina mangina tokony hotandremana : tosidrà ambony (Hypertension)

Ny tosidrà ambony matetika dia antsoina hoe “mpamono mangina”, satria mety tsy hisy soritr’aretina mipoitra izy io mandritra ny fotoana ela. Na izany aza nefa dia mampitombo be ny « risques » hahatonga fahatapahan’ny lalan-drà ao amin’ny loha (AVC), aretim-po tampoka, ary fahasimban’ny voa izy io.
Mampidi-doza ny tosidrà ambony satria manery ny fo hiasa mafy, manimba tsikelikely ny lalan-drà ary mety hiteraka fahasarotana lehibe tsy misy fampitandremana.
Mba hiadiana amin’ny tosidrà ambony sy ho fisorohana azy dia ilaina ny mandrefy tsy tapaka ny tosidrà, mampihena ny sira amin’ny sakafo, mitazona lanja ara-dalàna, manao fanatanjahantena tsy tapaka.

Diabeta karazany faha-2

Ny diabeta karazany faha-2 dia mety hivoatra an-taonany maro vao fantatra. Ny soritr’aretina toy ny havizanana tafahoatra na hetaheta be loatra dia mety hiseho amin’ny dingana efa mandroso.
Maro ireo antony mampitombo ny risika hampisy diabeta karazany faha-2. Anisan’izany ny hatavezana loatra, ny fihetsehana firy (mipetraka lava), sakafo tsy voalanjalanja, nisy voan’ny diabeta tao amin’ny fianakaviana.
Mila tiliana ara-potoana ny diabeta satria raha tsy voatsabo sy voafehy dia mety hitarika aretim-po sy lalan-drà, fahasimban’ny maso, fahasimban’ny voa… Fitiliana rà tsotra monja dia afaka mamantatra azy mialoha.

Fahalemen’ny taolana (Ostéoporose) aloha loatra

Matetika heverina fa ny zokiolona ihany no tratran’ity aretina ity. Mety hanomboka aloha kokoa nefa ny fahalemen’ny taolana, indrindra amin’ireto manaraka ireto : vehivavy aorian’ny fitondrana vohoka, olona tsy ampy vitamina D, mpifoka sigara, manao fanatanjahantena mafy nefa tsy ampy tohana ara-tsakafo.
Anisan’ireo aretina mangina moa ny « ostéoporose » satria mety tsy misy soritr’aretina mipoitra mandritra ny fotoana maharitra ary matetika tsy fantatra izy io raha tsy rehefa misy taolana tapaka.

Lire la suite

Articles Similaires