• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fihaonan’i Emmanuel Macron sy ny Kly Randrianirina Michaël : Nangatahana ny fanafoanana ny trosan’ny teleferika

27/02/2026 07:04 © Moov.Mg

Ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tantara efa nisy hatramin’izay no nifampiresahana tamin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara teny Ivato, omaly alakamisy 26 febroary 2025.

Fanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ny Frantsay

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly 26 febroary alina, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël sy ny delegasiônina notarihiny, rehefa avy nanatanteraka fitsidihana arak’asa tany Parisy Frantsa, ny 23 hatramin’ny 25 febroary lasa teo. Nanatanteraka tatitra fohy momba ny diany tany an-toerana izy, teny am-pahatongavana, ka isan’ny nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron.

Nosokajian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ho « mahavelom-bolo », ity fihaonana teo amin’izy mirahalahy samy filoham-panjakana ity. «Firenena efa niara-niasa hatramin’izay i Madgasikara sy i Frantsa ary manana tantara iaisana », hoy ny fanazavan’ny kôlônely Randrianirina Michaël. « Ny fanavaozana ny fiaraha-miasa, mba hahazoan’ny malagasy tombony, no nangatahina », hoy izy nanamafy.

Tetikasam-pampandrosoana maro

Raha tsiahivina dia naharitra adin’ny iray mahery ny fifampidinihana teo amin’i Emmanuel Macron sy ny kôlônely Randrianirina Michaël, tao amin’ny lapan’i Elysée, tamin’ny 24 feboary lasa teo. Teboka iray nivoitra tao anatin’ny fifampiresahana ny fangatahan’i Madagasikara ny fanafoanana ny trosan’ny teleferika, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. « Efa voaray izany fangatahana izany fa miandry izay mety ho valiny isika », hoy izy teny am-pahatongavana teny Ivato.
Ankoatra izay dia notsiahivin’ny kôlônely Randrianirina Michaël, fa nisy ny fihaonana teo amin’ny Vondron’ny Mpandraharaha Malagasy (GEM) sy ny MEDEF International, izay fikambanan'ny orinasa lehibe indrindra any Frantsa. Nivoitra tamin’izany ny hisian’ny tetikasam-pampandrosoana miisa 34 hiarahana miasa, ary tsy ho ela dia hanomboka ny sasany amin’izany. Isan’ny nisongadina tamin’ity dia arak’asa notontosain’ny filohan’ny fanavaozana ity ihany koa ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika hafa.

Lire la suite

Articles Similaires