Fambolen-kazo teny Iavoloha : Tanjona ny haharakotra ala ny faritry ny lapa, hoy ny filohan’ny Fanavaozana
Ho fitsinjovana ny taranaka any aoriana. Io no antony lehibe nanatanterahana ny fambolen-kazo teny Iavoloha androany 27 febroary 2026, araka ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kôlônely Randrianirina Michaël.
Zava-dehibe ny fambolen-kazo
Nanatontosa fambolen-kazo teny amin’ny faritry ny lapam-panjakana eny Iavoloha ny fianakaviam-ben’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara androany, notronin’ireo andrim-pajakana, ministera sy rafitra isan-karazany eto amin’ny firenena, ary ireo olo-manan-kaja maro, sivily sy miaramila, sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, fa nangatahany manokana mihitsy ny hanatanterahana ity fotoam-pambolen-kazo ity mba hatao amin’ny fotoana maha-afaka azy. « Nangatahako ny fanemorana ny fanatanterahana izao hetsika izao, mba hanehoako ny maha-zava-dehibe ity fambolen-kazo androany ity, sy hampisehoana amin’ny vahoaka malagasy ny maha-zava-dehibe ny fambolen-kazo », hoy ny fanazavany.
Fitsinjovana ny taranaka any aoriana
Nomarihin’ny filohan’ny Fanavaozana, fa ho fitsinjovana ny taranaka any aoriana no isan’ny antony hanatontosana ny hetsika fambolen-kazo tahaka izao. « Ny olom-panjakana dia ny olona mijery ny taranany any aoriana amin’ny alalan’ny fomba fitondrany », hoy ny fanazavany.
Noho izany indrindra, dia nanentana izy ny mba hametrahana sampan-draharaha hanara-maso ireo zanakazo novolena, hanombana ny fitombony sy hikajy ny taham-pahombiazan’ity hetsika fambolen-kazo ity. Tanjona ny haharakotra ala ny faritry ny lapan’Iavoloha, ka hahatonga azy ho filamatra amin’ny fahamaitsoan’ny tontolo, araka ny notsindrian’ny kôlônely Randrianirina Michaël.




