• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senior Living South Portland
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mihena ny hery rehefa miha-antitra : ny antony sy ny fomba hisorohana izany

05/03/2026 13:33 © Moov.Mg

Rehefa miha-antitra dia maro ny olona mahatsikaritra fa mihena tsikelikely ny heriny. Lasa toy ny mahasasatra kokoa ny tontolo andro, miadana kokoa ny fiverenan’ny hery rehefa avy miasa na niari-tory, ary indraindray mihena ihany koa ny fahavitrihana. Zavatra voajanahary moa izany satria misy fiovana maro mitranga ao amin’ny vatana sy ny saina. Na izany aza, misy fomba maro afaka manampy hitazomana sy hanatsarana ny herin’ny vatana na dia mandroso aza ny taona.

Ireo antony mahatonga ny fihenan’ny hery rehefa miha-antitra

Maro ireo antony mahatonga ny fihenan’ny hery rehefa mihantitra, anisan’izany ny :
-Fihenan’ny hafainganam-pandehan’ny « métabolisme »
Rehefa mihantitra ny olona dia miadana tsikelikely ny « métabolisme », izany hoe ny fomba ampiasain’ny vatana ny sakafo ho lasa angovo. Vokatr’izany dia mihena ny angovo vokarin’ny vatana. Avy amin’ny fihenan’ny hozatra sy ny fiovan’ny hormonina matetika no mahatonga izany.
-Fihenan’ny hozatra
Manomboka eo amin’ny faha-30 taona eo ho eo dia manomboka mihena tsikelikely ny hozatra ao amin’ny vatana. Io toe-javatra io dia antsoina hoe « sarcopénie ». Rehefa mihena ny hozatra dia mihena koa ny tanjaka sy ny faharetana amin’ny fampiasana vatana, ka mora mahatsiaro reraka ny olona.
-Fiovan’ny hormonina
Zava-dehibe amin’ny fitazonana ny herin’ny vatana ny hormonina. Rehefa mihantitra ny olona dia mihena ny hormonina sasany toy ny « testostérone », ny « œstrogène » ary ny « hormone de croissance ». Mety hisy fiantraikany amin’ny fahavitrihana, ny torimaso ary ny fahafahan’ny vatana mamerina hery izany.
-Tsy dia lalina intsony ny torimaso
Matetika ny torimaso dia lasa maivana kokoa rehefa mihantitra ny olona. Mety ho lasa mifoha matetika amin’ny alina, ary mihena ny faharetan’ny torimaso lalina. Rehefa tsy ampy kalitao ny torimaso dia mety hahatsapa havizanana mandritra ny andro.
-Ny adin-tsaina sy ny fomba fiaina
Ny adidy amin’ny asa, ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina dia mety hampitombo ny adin-tsaina. Raha tsy voalanjalanja ny sakafo ary tsy ampy ny hetsika ara-batana, dia vao mainka mampitombo ny fahatsapana reraka izany.

Ahoana no hitazonana sy hanatsarana ny hery rehefa miha-antitra ?

Maro ireo fomba manampy hitazonana sy hanatsarana ny hery rehefa miha-antitra :
-Manao fanatanjahantena tsy tapaka
Ny fanatanjahantena dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra hitazonana ny herin’ny vatana. Manampy hitazona ny hozatra izy io, manatsara ny fivezivezen’ny rà ary mampitombo ny hormonina manome fahatsapana fahasambarana. Ny mandeha tongotra, mitaingina bisikileta, milomano na manao fanazaran-tena ho an’ny hozatra no isan’ny tena tsara.
-Mihinana sakafo voalanjalanja
Ny sakafo manankarena voankazo, legioma, proteinina tsara kalitao ary tavy mahasalama dia manampy amin’ny fitazonana angovo maharitra. Ny vitamina, mineraly ary « antioxydants » ao anatin’ny sakafo dia manampy ny vatana hiasa tsara sy hampihena ny havizanana.
-Manatsara ny torimaso
Mba hahazoana torimaso tsara dia tsara ny manana ora fatoriana raikitra, tsy mampiasa ny efijery (telefaona na solosaina) alohan’ny hatory, ary mamorona tontolo milamina sy mampahazo aina ao amin’ny efitra fatoriana.
-Mifehy ny adin-tsaina
Ny fanazaran-tena amin’ny fifohana rivotra lalina, na ny fakana fotoana hialana sasatra dia afaka manampy hampihena ny adin-tsaina. Rehefa milamina ny saina dia mora kokoa ny mamerina ny herin’ny vatana.
-Mitazona fifandraisana ara-tsosialy
Zava-dehibe amin’ny fahasalamana sy ny fahavitrihana ny fiainana ara-tsosialy. Ny fihaonana amin’ny namana sy ny fianakaviana ary ny fandraisana anjara amin’ny hetsika miaraka amin’ny hafa dia manampy amin’ny fitazonana toe-tsaina miabo sy hery bebe kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires