• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clinique1037
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo fahazarana manakorontana ny fandevonan-kanina

06/03/2026 11:54 © Moov.Mg

Dingana lehibe ahafahan’ny vatana mandray ireo otrikaina ilainy mba hiasany tsara ny fandevonan-kanina. Misy nefa ireo fahazarana amin’ny fiainana andavanandro izay tsy tandrintsika ka mety hanakorontana ny fandevonan-kanina. Izany moa dia mahatonga tsy fahazoana aina toy ny fahatsapana mavesatra rehefa avy misakafo, kibo miziriziry… Ireto avy àry ireo fahazarana mety manakorontana ny fandevonan-kanina sy ny fomba hisorohana izany.

Fahazarana manakorontana ny fandevonan-kanina : mihinana haingana loatra

Ao anatin’izao fiainana maika lava sy feno rotoroto izay dia lasa toa fahazarana ny mihinana haingana sy tsy maka fotoana hitsakoana tsara ny sakafo. Ao am-bava nefa no manomboka ny fandevonan-kanina. Raha tsy voatsako tsara ny sakafo dia mavesatra kokoa ny asa ataon’ny vavony. Izany dia mety hanasarotra ny fandevonan-kanina na hampibontsina ny kibo.
Torohevitra : mila maka fotoana hihinanana miadana sy hitsakoana tsara ny sakafo alohan’ny hitelomana izany.

Mihinana be loatra indray mandeha

Raha be loatra ny sakafo hoanina amin’ny fotoana iray dia mety ho lasa sahirana ny vavony mandevona azy. Mila mamokatra « acides » sy « enzymes » betsaka kokoa ny vavony ka mety hiteraka fahatsapana mavesatra na « reflux gastrique » izany.
Torohevitra : aleo mihinana amin’ny fatra antonony ary zaraina ho sakafo kely maromaro mandritra ny andro raha ilaina.

Mihinana sakafo be menaka na voahodina betsaka sy matetika

Ny sakafo be menaka, be siramamy ary misy fanampin-tsakafo simika dia sarotra levonina kokoa. Mety hampiadana ny fandevonan-kanina izy ireny ary hiteraka olana amin’ny kibo.
Torohevitra : tsara raha sakafo voajanahary sy vaovao, toy ny voankazo, legioma ary voamadinika feno otrikaina no hoanina betsaka.

Mandry avy hatrany rehefa avy misakafo

Raha mandry na matory avy hatrany rehefa avy misakafo dia mety hampitombo ny « reflux gastrique » izany. Ny antony izany dia satria lasa tsy manampy hitazomana ireo sakafo ao anaty vavony araka ny tokony ho izy intsony ny « gravité ».
Torohevitra : mila miandry adiny 2 na 3 farafahakeliny alohan’ny handriana rehefa avy nisakafo.

Ny adin-tsaina sy ny fihinanana amin’ny fahamaikana

Ny adin-tsaina dia mety hanelingelina ny fiasan’ny rafitra fandevonan-kanina. Raha mihinana amin’ny toerana mampitebiteby na eo am-piasana dia matetika tsy mahatsikaritra ny fahafenoan’ny kibo ny olona.
Torohevitra : mila miezaka mihinana am-pitoniana ary mifantoka amin’ny sakafo hohanina.

Lire la suite

Articles Similaires