• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

8 marsa 2026 : "Ny vehivavy malagasy, hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena"

08/03/2026 15:56 © Moov

Tontosa androany alahady 8 marsa ny ivony sady famaranana ny fankalazana ny andron'ny vehivavy tamin'ity taona 2026 ity.

Ny maraina teo no nanatanterahana ny fankalazana nasionalin'ny Fetin'ny vehivavy 2026, teny Anosy. Nanotrona nizany lanonana izany ny filoham-pirenena mivady, Michael & Elisa Randrianirina. Diabe sy fanolorana mari-pankasitrahana no votoanton'ny fankalazana. An-jatony ireo vondrona sy fikambanana nandray anjara tamin'ny diabe, izay samy nanasongadina ny fitafiana sy haingo gasigasy amin'ny ankapobeny.

Fametrahana ny vehivavy amin'ny toerany

Samy nanamarika ny filoham-pirenena mivady, Michael & Elisa Randrianirina, nandritra ny fandraisam-pitenenany avy, fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka mananjo amin'ny maha-olombelona azy ny vehivavy rehetra. Mbola misy ezaka goavana takiana amin'i Madagasikara, amin'ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy. Hatreto mantsy dia mbola ny lehilahy no maro an'isa amin'ireo mitazona andraikitra ambony sy mirotsaka amin'ny sehatra politika. Tanjona araka izany ny hampandraisana andraikitra bebe kokoa ireo andriambavilanitra : "matetika dia misongadina kokoa ny fahombiazana rehefa vehivavy no mitantana", araka ny nambaran'ny Kolonely Michael Randrianirina.
Nomarihan'ny Filoha Kolonely Randrianirina fa "mendrika hajaina avokoa ny vehivavy rehetra, ary mariky ny fahambonian'ny fisainan'ny lehilahy ny fanajana ny vehivavy". Nisy araka izany ny fanentanana ny amin'ny hanajana ireo vehivavy rehetra, na reny, na zanaka, na anabavy na namana.

Fanavaozana mahakasika ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy

Miaiky ny fitondram-panjakana fa mbola misy lesoka arenina, indrindra manoloana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ny fampanambadiana aloha loatra ny tovovavy, sy ny fanilihana ny ankizivavy tsy hianatra. Tsy adino ny tsy famelana ny andriambavilanitra hiasa eo amin'ny sehatry ny tokantrano. Matetika tokoa mantsy dia ny kolontsaina diso toerana na efa nilaozan'ny toetr'andro no mibahana, izay manome vahana ny lehilahy.
Manao antso amin'ireo vehivavy ny Filoha Kolonely Randrianirina mba handray andraikitra, na inona na inona sehatra azo andraisana anjara. Manentana ny amin'ny fandraisana anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny mpitondra, entina hanitsiana ireo lalàna na fomba fanao izay heverina fa hanamaivanana ny lanjan'ny vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires