• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Nosy Be : Olona dimy voasambotra niaraka tamin’ny sokatra 280 nokasaina haondrana an-tsokosoko

09/03/2026 09:57 © Moov

Tratran’ny Zandarimariam-pirenena ny sokatra miisa 280 nokasaina haondrana an-tsokosoko any ivelany, ny alin’ny 7 martsa, tao Nosy Be Hell-Ville. Olona miisa dimy no voasambotra taorian’ny hetsika natao, izay vokatry ny loharanom-baovao avy tamin’ireo olon-tsotra.

Vokatry ny fifandraisan’ny olon-tsotra amin’ny Zandary

Mitohy hatrany ny ady atao amin’ny trafikana sokatra arovana eto Madagasikara. Tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, ny alin’ny 7 martsa dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Zandarimariam-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville ka nahatratra sokatra miisa 280. Tao amin’ny trano iray, ao amin’ny fokontany Dzamandzar no nahitana ireto sokatra ireto. Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana dia nokasaina haondrana an-tsokosoko any ivelany izy ireo. Marihina fa vokatry ny fahazoana loharanom-baovao mari-pototra, momba ity tranga ity no nahafahan’ny mpitandro filaminana nidina an-tsehatra.
Olona miisa dimy no voasambotra nandritra izany, ary anisan’izany ny tompon-trano sy olona iray voalaza fa nitondra ireo sokatra ho any amin’ilay toerana nitahirizana azy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana amin’izao fotoana izao mba hahafantarana ireo mety ho mpiray tsikombakomba sy hahafahana mamongotra tanteraka ny tambazotra mpanao trafika.

Miha-hentitra ny ady amin’ny trafikana sokatra

Miara-miasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny Cantonnement ao Nosy Be sy ny Zandarimariam-pirenena mba hahafahana misambotra ireo rehetra voakasika amin’izany.
Nanamarika ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) fa efa noraisina an-tanana manokana ireo sokatra tratra mba hahafahana manaramaso ny fahasalamany sy miantoka ny fiarovana azy. Mbola mamerina mampatsiahy, hatrany, izy ireo fa voararan’ny lalàna eto Madagasikara sy ny lalàna iraisam-pirenena ny fisamborana, fitazonana ary fanondranana sokatra an-tsokosoko.
Raha tsiahivina, ity tranga ity dia niseho andro vitsy monja taorian’ny hetsika hafa tany Toliara, izay nahatrarana olona telo niaraka tamin’ny sokatra 167, sy ny iray tany Belo Sur Mer. Trafikana sokatra miisa telo, izany izay no tratra teto Madagasikara tao anatin’ny iray volana monja. Manaporofo izany fa miverina mahazo vahana indray, izany fihetsika izany. Manamafy ihany koa anefa izany fa nohamafisina ny fepetra raisin’ny manampahefana hiadiana amin’ny trafikan’ireo biby arovana izay manambana ny harena voajanahary miavaka eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires