• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Lakandrano C3 : Efa mihoatra ny 27 000 m³ ny fako sy tsikafona nesorina

10/03/2026 15:34 © Moov

Mitohy ny asa fanadiovana sy fanatsarana ny lakandrano C3 eto Antananarivo, ao anatin’ny tetikasa PRODUIR. Vokatry ny asa fanadiovana natao tato ho ato dia mihoatra ny 27 000 m³ ny fitambaran’ny fako sy tsikafona nesorina tao amin’ny lakandrano. Dingana manan-danja alohan’ny hanesorana ny fotaka sy hanatsarana ny fikorianan’ny rano, izany.

Fanadiovana ilaina alohan’ny fanesorana fotaka

Alohan’ny hanaovana ny fanesorana ny fotaka ao amin’ny lakandrano dia tsy maintsy esorina aloha ireo fako sy tsikafona manarona ny rano. Raha ny lakandrano C3 manokana dia nahatratra 7 092 m³ ny fitambaran’ny fako nesorina, ary 20 635 m³ kosa ny tsikafona voaangona. Raha ny fanazavana, avy amin’ny PRODUIR moa dia manakana ny fikorianan’ny rano, ireo tsikafona sy fako ireo ary manasarotra ny asa fanadiovana ny fotaka ao ambanin’ny lakandrano. Mitohy amin’izao fotoana izao ny asa, indrindra eny amin’ny faritra manodidina ny CENAM sy ireo toerana hafa manaraka ny lakandrano.
Efa hita taratra amin’ny toerana sasany, toy ny eny Anosivavaka, ny vokatra azo tamin’ireo asa fanadiovana ireo. Mihatsara ny fikorianan’ny rano ary mihadio kokoa ny tontolo iainana ho an’ny mponina manodidina.

Fotodrafitrasa manan-danja amin’ny fivoahan’ny ranon’orana

Manodidina ny 12 kilometatra ny halavan’ny lakandrano C3, ary isan’ireo lakandrano telo lehibe mandray sy mampivoaka ny ranon’orana ato amin’ny lemaka Antananarivo izy. Noho izany dia tena zava-dehibe ny fiasany tsara mba hisorohana ny tondra-drano, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny orana.
Raha tsiahivina dia isan’ny laharam-pahamehan’ny tetikasa PRODUIR, izay tohanan’ny Banque mondiale, ny fanarenana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo. Manodidina ny 48 %-n’ny famatsiam-bola ao anatin’ny tetikasa no natokana hanarenana sy hanatsarana ny fiasan’io lakandrano io sy ireo fotodrafitrasa momba ny rano.
Ankoatra ny fanatsarana ny fivoahan’ny rano, moa, ity asa ity dia mikendry ihany koa ny hanamafy ny fiarovana ny mponin’Antananarivo, amin’ny tondra-drano, indrindra ho an’ireo faritra marefo sy mponina manamorona ny lakandrano.

Lire la suite

Articles Similaires