• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : 80% amin’ny filàna rehetra ny vary, hifantohana ny famokarana eto an-toerana

11/03/2026 11:52 © Moov

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sakafon’ny Malagasy ny vary. Manodidina ny 80 % amin’ny filàna ara-tsakafo eto amin’ny firenena no miankina amin’ity vokatra ity. Manoloana izany dia hifantoka amin’ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana ny fanjakana, mba hahafahana mamaly ny filàn’ny tsena anatiny.

Nohamafisina izany, nandritra ny fivoriambe faha-10 an’ny Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique (CRAD) izay nanomboka ny 9 ary hatramin’ny 12 martsa 2026 eto Antananarivo.

Seha-pihariana lehibe ho an’ny toekarena ambanivohitra

Ny fambolena vary no asa fambolena be mpanao indrindra eto Madagasikara. Raha ny antontanisa dia manodidina ny 82 % amin’ny tokantrano Malagasy no mamboly vary, na ho an’ny fanjifana ao an-tokantrano na ho an’ny famatsiana ny tsena anatiny. Mahatratra eo amin’ny 5,17 tapitrisa taonina eo ho eo ny famokarana vary akotry eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, amin’ny velaran-tany 1,828 tapitrisa hekitara. Manodidina ny 2,6 taonina isaky ny hekitara kosa ny taham-bokatra amin’ny ankapobeny.
Ireo tarehimarika ireo dia mampiseho fa anisan’ny andry lehibe iankinan’ny toekarena sy ny fiainan’ny mponina ny seha-pihariana vary. Any amin’ny faritra ambanivohitra maro, io no loharanom-bola fototra ho an’ny tantsaha.

Paikady hanamafisana ny famokarana eto an-toerana

Mba hanatsarana ny famokarana sy hanohanana ireo tantsaha dia mampihatra ny Stratégie Nationale de Développement Rizicole III (Paikady nasionaly hampivoarana ny fambolem-bary III) ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona amin’izany ny hanamafisana maharitra ny famokarana vary eto an-toerana.
Anisan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ity paikady ity ny fampiroboroboana ny fomba famokaram-bary SRI (Système de Riziculture Intensive), ny fampiasana masomboly nohatsaraina ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fanondrahana ireo tanimbary. Hisy ihany koa ny fampidirana fitaovam-pamokarana maoderina sy ny fanamafisana ny fikarohana ara-pambolena mba hanohanana bebe kokoa ny tantsaha.
Ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny CARD moa dia heverina ho antoky ny fampiroboroboana ity seha-pihariana vary ity. Ao amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ity fiaraha-miasa ity mantsy dia efa nahitana fiakarana lehibe ny famokarana.
Amin’ny alalan’ireo fepetra sy paikady ireo dia mikendry ny hanamafy ny famokarana vary eto an-toerana i Madagasikara, mba hahafahana mamaly ny filàna ara-tsakafo sy mampandroso ny sehatry ny fambolena.

Lire la suite

Articles Similaires