Fomba tsotra fanaovana « naan au fromage » matsiro
Nahandro avy any amin’ny faritra avaratr’i Inde ny « naan ». Ity farany dia karazana mofo nentim-paharazana andrahoina anatin’ny lafaoro atao hoe « tandoor ». Azontsika atao ihany koa nefa ny mikarakara azy ity ao an-trano ka lapoaly no ampiasaina. Anisan’ny fomba matsiro afaka hanaovana ity nahandro ity ny « naan au fromage ». Sady matsiro no mahavoky tsara moa izy ity. Araho ny fikarakarana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « naan au fromage » ao an-trano
-Lafarina 150g,
-Menaka 1 sotro fihinanana,
-Siramamy 1 sotro fihinanana,
-Yaourt nature 1 sotro kely,
-Rano kely,
-Levure boulanger 1 sotro kely,
-Sira 1 tsongo,
-Fromazy malemy.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka anaty rano matimaty tapaky ny kaopy ny levure boulanger, asiana siramamy 1 sotro kely dia aroharoana hifangaro tsara. Avela hipetraka eo 15 minitra mba hibontsina.
Afangaro anaty saladier ny lafarina, ny siramamy sy ny sira.
Rehefa mifangaro izy ireo dia lavahana kely eo afovoany. Arotsaka ao ny levure boulanger efa mibontsina, ny menaka, ny yaourt nature sy rano kely.
Afangaro amin’ny tanana mba hitambatra ary volavolaina hahazo « boules » roa.
Avela hilona mandritra ny adiny roa ao anatin’ny saladier nosaromana lamba ny paty.
Rarahana lafarina kely ny latabatra. Velarina eo any paty voalohany. Asiana fromazy eo afovoany avy eo akatona ilay paty. Somary tsindriana kely amin’ny felan-tanana mba hahazo endrika « naan ». Atao toy izay ihany koa ny paty faharoa.
Endasina amin’ny lapoaly mafana tsara sy maina, tsy misy menaka, mandritra ny 5 minitra ny lafiny tsirairay amin’ilay « naan au fromage ».




