• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Tohana ho an’ireo tra-boina : Vary 1 105 205 kg no nozaraina ho an'ny tokantrano 276 230 isa, taorian’i Gezani

19/03/2026 09:31 © Moov.Mg

Iray volana mahery taorian’ny nandalovan’ny rivodoza mahery Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana, namoaka ny tatitry ny fandraisana an-tanana ireo traboina ny Birao Nasionaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC). Maherin'ny 400 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan'iny rivo-doza mahery vaika iny ary mbola goavana ny ezaka miandry ny firenena sy ireo mpiara-miombona antoka, amin'ny fiarenana.

Tohana ara-tsakafo sy ara-bola

Araka ny tatitry ny BNGRC tamin'ny datin'ny 16 martsa 2026 dia olona maherin'ny 427 000 isa no traboina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Gezani tao an-drenivohitra Betsimisaraka. Ny 300 979 isa tamin'ireo dia ao Toamasina I avokoa ary ny 126 835 isa no tao Toamasina II. Iray volana aty aorian'ny loza, mbola mitohy ny fizarana fanampiana ho an'ireo mponina ao anatin'ireo fokontany miisa 189 lasibatra.

Araka ny tatitra farany, maherin'ny 1,1 tapitrisa kilao ny vary efa nozaraina ho an'ny tokantrano 276 230 teo anelanelan'ny 11 febroary hatramin'ny 16 martsa 2026. Tsy ny Fokontany ihany anefa no nojerena fa nisy koa ny fanampiana nomena ho an'ireo sokajian'ny BNGRC ho "vondrona manokana", toy ny mpampianatra, izay nahitana 5 000 tokantrano ; ny mpiasan’ny fahasalamana, nisy 1 170 tokantrano ; sy ireo fikambanana isan-tsokajiny. Ankoatra ny sakafo dia nisy ihany koa ny fanampiana ara-bola, dia ny « cash transfer » sy ny asa atakalo vola (argent contre travail), niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny PAM, ny FID, WHH, sy ny maro hafa. Tanjona amin’izany ny hamelomana indray ny toekarena madinika any an-toerana.

Mitohy ny fanampiana

Raha ny zava-misy any amin’iny Faritra Atsinana iny dia mbola maro ireo olona tsy manan-kialofana, noho ny faharavan’ny trano fonenana. Misy ihany koa ireo toerana mbola dibo-drano, araka ny nambaran’ireo mponina, izay mbola manao antso avo ny amin’ny hanampiana azy ireo. Mba hahafahan’ireo tra-boina manamboatra ny fonenany dia nizara tafo « tôles » miisa 8 523 ny BNGRC ary ho an’ireo tsy manan-kialofana dia tafo lay maherin'ny 900 no napetraka ho fonenana vonjimaika. Nisy ihany koa ny fizarana « kits solaires » 958 isa, satria nandalo olana ny Jirama, tamin’ny famatsiana herinaratra.

Nanamafy ny BNGRC fa « mitohy amin'ny fomba mangarahara ny asa fanampiana, indrindra ho an'ireo marefo indrindra ». Tanjona ny hiarenana tsikelikely, izay tsy mora, ary mbola andrandraina ny fiaraha-mientana sy ny tohana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires