Fifantenana izay ho minisitra vaovao : mampiasa « détecteur de mensonge » ny fitondram-panjakana
Tsy ho ela dia ho tafatsangana ny governemanta tarihiny, raha ny nambaran’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin, izay notendren’ny kôlônely Randrianirina Michaël ho praiminisitra faharoa ao anatin’izao fitondrana Fanavaaozana izao, tamin’ny 15 martsa lasa teo. Efatra andro aty aoriana, mbola tsy voatendry ireo minisitra. Nitondra fanazavana ny filohan’ny Fanavaozana.
Fitaovana fitsirihana lainga
Mbola nanamafy ny kôlônely Randrianirina Michaël, androany 19 martsa 2026, fa tsy tokony haharitra ela intsony dia ho tafajoro ny governemanta hotarihin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Raha ny vinavina dia tokony ho fantatra amin’ny alatsinainy, na talata ho avy izao, ny anaran’ireo minisitra handrafitra izany governemanta izany, hoy izy, rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fampahafantarana ny tatitry ny Fitsarana ara-bola, teny Anosy, androany.
Nanazava ny antony mbola mahataraiky ny fananganana ny governemanta vaovao ny filohan’ny Fanavaozana, ka nampahafantariny fa mampiasa fitaovana fitsirihana lainga, antsoina hoe : « polygraphe », na « détecteur de mensonge » ny fitondram-panjakana, amin’ny fifantenana izay olona mendrika ny hitantana ireo ministera isan-tokony.
Fanadihadiana momba ny fitondran-tena
« Mila mpiara-miaasa madio izahay. Tsy voatery ho madio 100%, fa rehefa mba mahatratra ny 60% dia mety mba efa hisy fivoarana ity Madagasikara ity », hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël. Amin’ny alalan’izany fitaovana « détecteur de mensonge » izany mantsy, araka ny fanazavany, no hahafahana manavaka ny olona maloto sy ireo izay afaka ny hanampy ; ireo olona hamadika ny tolona nataon’ny tanora sy ireo tsy hanao izany. Manam-pahaizana manoka, avy any ivelany, no miandraikitra ny fampiasana ity fitaovana ity.
Ny « polygraphe », araka izany, no ampiasaina ho solon’ny fanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena, izay napetraka ho andraikitry ny sampam-pitsikilovana CIS hatramin’izay. Izay olona manana valy miiba avy amin’ny fitsirihan’ity fitaovana ity dia efa voailika avy hatrany, fa ireo manana valy miabo kosa no miroso amin’ny dinika arak’asa miaraka amin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny praiminisitra.




