• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Dauphiné Libéré
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny aretina isany fahita indrindra eto Madagasikara sy ny fisorohana izany

19/03/2026 10:46 © Moov.Mg

Madagasikara dia toy ireo firenena maro amin’ny faritra tropikaly izay miatrika aretina maro mifandray amin’ny toetrandro, ny fahadiovana sy ny fahafahana mahazo fitsaboana. Ilaina arak’izany ny mahafantatra ireo aretina fahita eto amintsika sy ny fandraisana fepetra fisorohana tsotra mba hampihena ny fahasarotana mety aterak’izy ireny. ‘Ndeha ho fantarina eto ny santionany amin’ireo aretina fahita indrindra eto Madagasikara sy ny fisorohana izany.

Aretina fahita eto Madagasikara : Tazomoka na « paludisme »

Ny tazomoka dia isan’ny aretina be mpahazo indrindra eto Madagasikara. Mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka mitondra otrikaretina izy, indrindra any amin’ny faritra mafana sy amorontsiraka.
Fomba hisorohana azy :
-Matory ao anaty lay aro moka misy fanafody,
-Mampiasa fanafody manohitra moka,
-Mitafy akanjo mandrakotra tsara rehefa hariva,
-Manafoana ny rano miandrona sy lobolobo manodidina ny trano.

Aretina amin’ny taovam-pisefoana na « infections respiratoires aiguës »

Ny aretina amin’ny taovam-pisefoana toy ny « bronchite » na « pneumonia » dia isan’ireo fahita indrindra eto Madagasikara ka ny ankizy sy ny zokiolona matetika no tena tratran’izany.
Fomba hisorohana azy :
-Manasa tanana matetika,
-Miala amin’ny setroka be (arina, kitay),
-Manokatra varavarankely mba hidiran’ny rivotra madio,
-Manao vaksiny raha azo atao.

Aretina miteraka fivalanana na « maladies diarrhéiques »

Matetika dia avy amin’ny rano tsy madio na sakafo tsy voakarakara tsara ny aretina miteraka fivalanana. Izy ireo dia tafiditra ho isan’ireo antony lehibe mahatonga fahafatesan’ny zaza.
Fomba hisorohana azy :
-Misotro rano madio (nampangotrahina na voatsabo),
-Manasa tanana alohan’ny hisakafo,
-Andrahoina ho masaka tsara ny sakafo, indrindra ny hena,
-Miala amin’ny sakafo tsy ara-pahasalamana, na tsy azo antoka ny fahadiovany, eny an-dalambe.

Raboka na « tuberculose »

Ny raboka dia aretina mifindra amin’ny rivotra ary mahazo indrindra ny havokavoka. Mbola maro ireo tranga miseho eto amintsika izay mitarika fahasarotana ara-pahasalamana lalina raha tsy mahazo fitsaboana ara-dalàna ny marary.
Fomba hisorohana azy :
-Manao fitiliana raha misy kohaka maharitra,
-Manaraka tsara ny fitsaboana omena,
-Miala amin’ny toerana tery sy tsy misy rivotra.

Lire la suite

Articles Similaires