• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Edp Nutrition
Image
Fahasalamana&Sakafo

Olona farofy na marary matetika : ny sakafo mila tandremana

13/04/2026 12:19 © Moov.Mg

Tsy azo atao tsirambina ny fananana toe-batana farofy na hoe marary matetika. Na dia zava-dehibe aza ny torimaso, ny fifehezana ny adin-tsaina ary ny fomba fiaina, dia isan’ny fototra iankinan’ny hery fiarovan’ny vatana ny sakafo. Misy ireo sakafo sasany raha hoanina matetika dia mety hampihena ny hery fiarovana ka mahatonga antsika ho mora andairan’ny aretina sy ho rera-dava. Ireto avy àry ireo sakafo tsara ferana na hialan’ny olona farofy na marary matetika.

Olona farofy na marary matetika : fadiana ny sakafo voahodina

Ny sakafo voahodina na « transformés » dia feno akora simika, siramamy miafina, tavy ratsy ary tsy ampy ny otrikaina ilain’ny vatana. Ankoatra izay dia manimba ny « équilibre intestinal » na ny fifandanjana ao amin’ny tsinay izy ireo, nefa ao amin’ny tsinay no misy ampahany lehibe amin’ny hery fiarovan’ny vatana. Ohatra amin’ireo sakafo voahodina tokony ialàna ny sakafo amin’ny boaty na fonosana, tsakitsaky masira, « biscuit » indostrialy, zava-pisotro misy gazy…

Ny siramamy be loatra

Ny fihinanana siramamy be dia mety hampihena vetivety ny fahombiazan’ny sela miady amin’ny aretina. Mampitombo ny « inflammation » ao amin’ny vatana koa izy ary manimba ny fifandanjana ao amin’ny tsinay. Mila ferana arak’izany ny fihinanana vatomamy, mofomamy, zava-pisotro mamy…

Ny toaka

Mampihena ny hery fiarovan’ny vatana ny toaka ary manakorontana ny famokarana ireo sela miaro amin’ny aretina. Etsy andaniny dia manimba ny kalitaon’ny torimaso ihany koa izy ireny ka manasarotra ny fahasitranana raha sendra marary. Noho izany dia mila ahena na alavirina tanteraka ny fisotroana toaka raha manana toe-batana farofy, indrindra rehefa reraka na marary.

Tavy ratsy (graisses saturées)

Ny tavy ratsy anatin’ny sakafo dia mampitombo ny « inflammation » maharitra ao amin’ny vatana ary mety hamparefo ny hery fiarovan’ny vatana. Anisan’ireo karazana sakafo be tavy ratsy ka tokony ialàna ny sakafo nendasina be, ny « fast-food », ny « margarine » sasany, ny mofomamy indostrialy…

Inona kosa no tsara hohanina raha manana toe-batana farofy ?

Marina fanamy betsaka ny fisorohana ireo sakafo voalaza ireo raha manana toe-batana farofy na marary matetika. Tsy ampy anefa izany hanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana. Misy ireo sakafo mahasalama tsara hoanina matetika, toy ny :
-Voankazo sy legioma (manankarena vitamina sy « antioxydants),
-Sakafo misy « zinc » (voanjo, hazan-dranomasina),
-Loharanon’ny vitamina C (voasary, goavy, sakamalaho),
-Sakafo misy « probiotiques » (yaourt, fromazy),
-Fisotroana rano ampy.

Lire la suite

Articles Similaires