Fanafody nentim-paharazana : mahasoa sa mampidi-doza ?
Efa hatramin’ny ela no nampiasan’ny olona fanafody nentim-paharazana, ary mbola manana toerana lehibe amin’ny kolontsaina maro maneran-tany izy ireny. Vita amin’ny zavamaniry, fakany, menaka na fomba nentin-drazana izy ireny matetika ary heverina fa tsy mampidi-doza satria akora voajanahary. Marina fa mety hahasoa ny fanafody netim-paharazana, nefa koa mety hitera-doza raha toa ka tsy ampiasaiana araka ny tokony ho izy.
Fanody netim-paharazana : harena avy amin’ny fahalalana nentin-drazana
Ny fanafody nentim-paharazana dia vokatry ny fahalalana nampitaina tamin’ny taranaka maro nifandimby. Amin’ny faritra maro, indrindra aty Afrika sy ao Azia, dia izy ireny no fitsaboana voalohany ampiasan’ny olona voalohany rehefa marary.
Misy amin’ireo zavamaniry ampiasaina aza no efa voaporofo ara-tsiansa fa mahomby, ka ampiasaina amin’ny fitsaboana maoderina ankehitriny. Ohatra, misy dite na ranom-boankazo afaka manamaivana ny fanaintainan’ny kibo, mampitony kohaka, na manampy amin’ny fanatsarana ny torimaso.
Misy soa azo… nefa voafetra
Tsy azo lazaina fa tsy mahomby ny fanafody nentim-paharazana rehetra. Maro amin’izy ireny no tena manampy amin’ny aretina tsotra. Mora azo sy tsy lafo ihany koa izy ireny, ka mahatonga ny olona maro hisafidy azy, indrindra amin’ny tany mahantra sy amin’ireo toerana lavitra toeram-pitsaboana.
Na izany aza nefa dia miankina amin’ny zavatra maro ny fahombiazan’ny fanafody nentim-paharazana : ny karazana zavamaniry, ny fatra ampiasaina, ny fomba fanamboarana ary ny olona mampiasa azy. Raha tsy voafehy tsara ireo lafin-javatra ireo, dia mety tsy hahomby izy io ary mety hitarika olana ara-pahasalamana mihitsy aza.
Ny loza mety hitranga izay tsy tokony hamaivanina
Tsy hoe rehefa « voajanahary » dia midika izay fa « tsy mampidi-doza ». Misy fanafody nentim-paharazana mety hiteraka voka-dratsy, indrindra raha diso ny fatra na afangaro amin’ny zavatra hafa.
Misy zavamaniry mety ho misy poizina, ary misy ihany koa ireo mety tsy mifanaraka amin’ny fanafody maoderina ka mitera-doza. Ankoatra izany, raha tsy voamarina ara-tsiansa ny fitsaboana, dia mety ho diso ny fitiliana aretina na tara loatra ny fitsaboana sahaza.
Amin’ny tranga sasany dia mety hampitombo ny aretina na hanimba ny fahasalaman’ny marary ny fianteherana tanteraka amin’ny fanafody nentim-paharazana.
Fampiasana am-pitandremana
Tsy voatery hifanohitra ny fitsaboana maoderina sy ny nentim-paharazana. Azo ampifanarahana tsara izy ireo rehefa ampiasaina am-pahendrena. Ankehitriny moa dia efa maro ny mpikaroka mandalina mikasika ireo zavamaniry fanao fanafody mba hahafantarana tsara ny tombontsoa sy ny loza mety aterany.
Ho an’ny tsirairay dia zava-dehibe ny :
-fangatahana torohevitra amin’ny mpitsabo rehefa misy tsy fahasalamana,
-tsy fanaovana fitsaboan-tena tafahoatra,
-fahafantarana tsara ny zavatra ampiasaina,
-tsy manajanona ny fanafody omen’ny dokotera raha tsy misy torohevitra, indrindra ireo taizan’aretina.



