• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi-Docteur.Webp
Image
Reny&Zaza

Zaza tsy mety misakafo mandritra ny andro maromaro : inona no atao ?

17/04/2026 17:02 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny hoe misy fotoana mandà tsy te hisakafo ny zaza. Mety hampitaitaina ny ray aman-dreny izany, indrindra raha maharitra andro maromaro. Amin’ny ankamaroan’ny tranga nefa dia mandalo ihany io fandavan’ny zaza misakafo io. Ny zava-dehibe dia ny fahafantarana ny antony mety mahatonga izany sy ny fandraisana fepetra mifanaraka aminy.

Zaza tsy mety misakafo mandritra ny andro maromaro : fantarina ny mety ho antony

Mety hisy antony maro mahatonga ny zaza tsy mety misakafo. Indraindray dia vokatry ny tsy fahazotoan-komana tsotra izao, avy amin’ny havizanana, fitomboana, na koa olana kely amin’ny fandevonan-kanina. Mety ho fomba anehoany ny fahaleovantenany na hisarihana ny sain’ny ray aman-dreniny ihany koa. Ny fiovana eo amin’ny fiainan’ny zaza (toy ny fidirana an-tsekoly, fahatongavan’olona vaovao ao an-trano, na adin-tsaina) dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahazotoany hisakafo.

Tsy terena hihinana ny zaza

Na dia tsy mety misakafo mandritra ny andro maromaro aza ny zaza dia tsy azo terena hihinana izy. Ny fanerena azy dia mety vao mainka hampitombo ny olana. Mety hahatonga azy hampifandray ny sakafo amin’ny zavatra « négatif » na fihetseham-po ratsy izany ka vao mainka izy tsy ho tia misakafo. Ny mety dia aleo mitazona fitoniana ary tsy atao lasa ady ny fotoana fisakafoanana.

Mitazona fandaharam-pisakafoanana milamina

Omena sakafo amin’ny ora voafaritra sy ao anaty tontolo milamina ny zaza. Tsy asiana zavatra manelingelina be loatra, toy ny efijery na kilalao. Na dia kely aza ny sakafo laniny dia efa zava-dehibe ny fitazonana izany fahazarana izany.

Tolorana sakafo izy nefa kosa terena

Tolorana sakafo isan-karazany sy voalanjalanja ny zaza, fa terena kosa nefa izy raha tsy mety mihinana. Amporisihana am-pitoniana sy am-pitiavana izy hanandrana, tsy terena na bedesina kosa raha mandà. Indraindray dia mila averimberina atolotra ny zaza ny sakafo iray vao ekeny. Izany hoe raha tsy mety hoanininy ny sakafo iray androany dia amin’ny manaraka averina indray.

Jerena ny toe-pahasalaman’ny zaza tsy mety misakafo mandritra ny andro maro

Araka ny voalaza teo ambony dia toe-javatra mety mandalo eo amin’ny zaza ny hoe tsy mety mihinanana sakafo mandritra ny andro maromaro. Mila jerena kosa nefa raha misy soritr’aretina hafa toy ny tazo, havizanana be, fihenan-danja, na fanaintainana miaraka amin’io tsy fahazotoan-komana io. Raha izany no mitranga dia mila entina manantona mpitsabo izy. Mety ho avy amin’ny aretina, olana amin’ny fandevonan-kanina, na olana amin’ny nify no antony tsy mampisakafo azy.

Lire la suite

Articles Similaires