Fampandrosoana ny Faritra Atsimo Andrefana : Hisy ozinina mpamokatra menaka hatsangana any Toliara
Fotoana nanararaotan’ny filohan’ny Fanavaozana nampahafantarana ireo asa fampivoarana ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Tsapiky Festivaly tanterahina any an-toerana. Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy izany hetsika izany ny kôlônely Randrianirina Michaël, omaly 17 aprily 2026.
Atsimo Andrefana, Faritra niavian’ny Tsapiky
Ao amin’ny Kianja Maître Kira ao Andaboly, ao an-tampon-tanànan’i Toliara, no anatanterahana ny Tsapiky Festivaly. Ity hetsika mandritra ny roa andro ity dia anamarihana indrindra ny nahatafidiran’ny gadona Tsapiky ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO. Hanolotra izany amin’ny fomba ôfisialy any an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, ary efa omaly izy no nigadona tany an-toerana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazany fa tsy Faritra farany indrindra eto Madagasikara intsony ny Faritra Atsimo Andrefana, fa voalohany aza izy, noho ny Tsapiky. Afaka manana fanantenana ihany koa ireo mponina any an-toerana, fa azo atao tsara ny mandeha lavitra eo amin’ny fiainana. Nijoroan’ny filohan’ny Fanavaozana vavolombelona izany, satria lehibe tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy izy, tsy nanao kapa akory raha nandeha nianatra, nefa ankehitriny dia tonga filoham-panjakana.
Fananganana ozinina sy fanamboara-dalana
Tao anatin’izany kabary fanokafana izany hatrany no nilazan’ny kôlônely Randrianirina Michaël fa efa mandeha ireo asa fampandrosoana ny Faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana ozinina mpamokatra zezika ao amin’ny Kaominina Belalanda, Toliara II, izay notokanana tamin’ny volana febroary lasa teo. Afaka iray volana eo ho eo dia hisy ihany koa ny ozinina fanamboarana menaka hosokafana any Toliara, araka ny fampanantenany. Ankoatra izay dia efa manomboka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7, avy eo Sakaraha mihazo ny kaominina Vineta, izay hatao tara, ary ny lalana miala eo Toliara mihazo an’i Saint Augustin, hatao rarivato. Nanolotra 50 tapitrisa Ariary ho an'ny Fokontany miisa 41 ao anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toliara moa ny filohan’ny Fanavaozana, ho nofon-kena mitam-pihavanana.
Taorian’ny kabary fanokafana dia nisy ny fanolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra ary ny klontsaina ho an’ireo mpnakanto maromaro nanamarika ny tontolon’ny mozika ao amin’ny Faritra Atsimo Andefna. Notokanana ihany koa ny tsangambato miendrika gitara, izay manamarika ny maha-harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona ny Tsapiky. Ho an’ny androany tolakandro, dia hisy ny famelabelaran-kevitra ara-tsiantifika manodidina ny Tsapiky, hiarahana amin’ny oniversiten’i Toliara, hatao ao amin’ny Amphithéâtre Fiakara Jean Ferlin.



