• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Plateforme Hina
Image
Vaovao

Tsifanjariantsakafo mitarazoka : Tanjon’ny Vovonana HINA ny hampidina ny taha ho 25% hatramin’ny taona 2030

18/04/2026 12:26 © Moov.Mg

Nisy fihatsarana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara, raha ampitahaina ireo vokatry ny fanadihadiana MICS roa farany natao teto amintsika. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fanjariantsakafo teto amintsika ny fiarahamonim-pirenena ary mbola mitady vokatra tsaratsara kokoa, mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD).

Nidina ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka

Ny tanjona faharoa ao amin’ny ODD dia mamaritra fa tokony ho foana tanteraka ny hanoanana maneran-tany amin’ny taona 2030. Efa-taona eo ho eo sisa no ananan’i Madagasikara hanatrarana izany tanjona izany, izay tena mbola lavitr’ezaka tokoa. Araka ny valin’ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Fanadihadiana MICS) taona 2024-2025, izay vao nivoaka farany teo, dia mbola mitaha any amin’ny 37% ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara. Na izany aza, efa nahitam-pidinana io antontan’isa io, satria dia ny 41,6%-n’ny zaza malagasy latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, raha ny hita tamin’ny fanadihadiana MICS 2018.

Nandray anjara tamin’ny fampidinana io taha io ny fiarahamonim-pirenena, tamin’ny alalan’ireo hetsika natao teny anivon’ireo Faritra, nanomboka ny taona 2018, araka ny nambaran’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Vovonana HINA. Zava-dehibe indrindra tamin’izany ny fanatanterahana ny drafitrasam-pirenena fahatelo ho an’ny fanjariantsakafo (PNAN III), izay niseho tamin’ny alalan’ny hetsika fanentanana momba ny 1.000 andro voalohan’ny zaza, ny fanatsarana ny sakafo eny ifotony, ny tohana tamin’ny fametrahana fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire)… Taorian’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena mikasika ny fanjariantsakafo ho an'ny fitomboan'ny harinkarena (N4G), izay natao tany Parisy tamin’ny volana martsa 2025, dia nametraka tanjona vaovao ny Vovonana HINA, dia ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara ho 25% hatramin’ny taona 2030.

Fanatsarana ny rafitra sy ny teti-bola

Maro ireo fanatsarana tokony hatao, mba hanatrarana ny tanjona, ka zava-dehibe amin’izany ny fampirindrana ny asa, hoy i Faniry Hantarinivo. « Ho an’ny Vovonana HINA, tokony ho marolafy sy miaty foana ny asa rehetra atao ho an’ny fanjariantsakafo, ary tokony misahana ireo sehatra isan-karazany : misakafo ara-dalàna, manana rano fisotro madio, mianatra, manana rafitry ny fahasalamana matanjaka… izany rehetra izany mitambatra no manome ny fanjariantsakafo », hoy ny fanazavany. Momba ny teti-bola atokana ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, dia efa haitaky nataon’ny fiarahamonim-pirenena foana ny amin’ny tokony hampiakarana izany. Ankehitriny kosa dia antso avo ataon’izy ireo ny hanatsarana ny fahafaha-mitantana sy ny fahaiza-mitantana ny teti-bola ho an’ny fanjariantsakafo, eny anivon’ireo ministera sy ny rafi-panjakana isan-tsokajiny, « mba tena hiantrika any amin’ny vahoaka izay kely ananana », hoy ny filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Vovonana HINA.

Ankoatra izay dia manao adisisika mba hametrahana ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny fanjariantsakafo ny Vovonana HINA. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana rafitra izany, ka « ny rafitra fototra maha-olona mihitsy no tokony hatsaraina », hoy ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanatanterahana ireo pôlitikam-panjakana izay efa misy. « Tsy tokony hamorona pôlitika vaovao foana, fa efa misy ireo drafitrasa isan-karazany (…) Ny fomba hanatanterahana ireny no tokony heverina », hoy ny nambarany.

Nanatanteraka fivoriam-be teny Antaninarenina ireo solontenan’ny Vovonana HINA manerana ny Nosy ny 16 sy 17 aprily 2026 lasa teo, ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taona nijoroany, sady hamaritana ny fomba ho entina manatanteraka ny asa indray, ao anatin’ny fe-potoana 2026 – 2030.

Lire la suite

Articles Similaires