« Cirrhose du foie » : aretina mafy mahavoa ny aty ateraky ny toaka
Taova tena manan-danja ao amin’ny vatana ny aty. Mananana andraikitra maro izy io : manadio ny poizina ao amin’ny ra, mandray anjara amin’ny fanodinana (métabolisme) otrikaina, mamokatra afero ary mitahiry vitamina sasany. Mora simba nefa ny aty rehefa be loatra sy maharitra ny fisotroana toaka. Ny « cirrhose » no isan’ireo dingana faran’izany mafy indrindra amin’ireo aretin’ny aty ateraky ny toaka. Araho ny andinindininy.
Ahoana ny fomba animban’ny toaka ny aty ?
Rehefa misotro toaka ny olona iray dia ny aty no mandrindra ny fanovàna azy ao amin’ny vatana. Mandritra izany dia misy akora misy poizina mivoaka ao aminy, indrindra ny atao hoe “acétaldéhyde”, izay manimba ny sela ao amin’ny aty. Raha amin’ny fotoana fohy dia mbola mahavita miaro tena ny aty, fa rehefa miverimberina sy be loatra ny fisotroana toaka dia mitarika ny fahasimbany tsikelikely izany.
-Mizara dingana telo matetika ny fahasimban’ny aty vokatry ny toaka:
-Tavy ao amin’ny aty (stéatose hépatique). Izany hoe misy tavy mivangongo ao amin’ny selan’ny aty. Mety ho sitrana izy io raha mijanona tsy misotro toaka intsony.
-« Hépatite » ateraky ny toaka. « Inflammation » na aretin’ny aty, mety hiteraka havizanana, tazo ary « jaunisse ».
-« Cirrhose ». Izy io no dingana farany izay midika fa efa simba tanteraka ny aty ary tsy azo arerinana intsony.
« Cirrhose » : aretina mafy tsy azo sitranina tanteraka
Ny « cirrhose » dia fiovana tsikelikely eo amin’ny aty, ka lasa miova ho « tissu fibreux » ireo sela salama. Io « fribose » io dia manakorontana ny firafitra sy ny fiasan’ny aty. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihamafy sy miova tsy ara-dalàna ny aty, ka lasa tsy mahavita ny asany intsony. Voasakana ihany koa ny fivezivezen’ny ra ao aminy, ka mety hiteraka fahasarotana lalina.
Soritr’aretina sy fahasarotana mety hitranga « cirrhose ». Rehefa mihombo kosa ny aretina dia misy fambara miseho tsikelikely :
-Havizanana be,
-Tsy fahazotoan-komana sy fihenan-danja,
-Hoditra sy maso mivadika mavo (jaunisse),
-Rano miangona ao anaty kibo (ascite),
-Fivontosana amin’ny tongotra,
-Olana amin’ny fandrin’ny ra (troubles de la coagulation).
Ny fahasarotana dia mety ho mafy, toy ny:
-Fandehanan-drà ao anaty (hémorragie digestive),
-Fahasimbana amin’ny ati-doha noho ny poizina (encéphalopathie hépatique),
-Homamiadan’ny aty.
Ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risques »
Tsy voatery ho tratry ny « cirrhose » avokoa ny olona misotro toaka. Misy ireo anton-javatra mampitombo ny « risques » :
-Habetsahana sy faharetan’ny fisotroana toaka,
-Ny maha-lahy na maha-vavy (mora voa kokoa ny vehivavy),
-Avy amin’ny fototarazo (prédisposition génétique),
-Fisian’ny aretin’ny aty hafa (toy ny hépatite),
-Tsy fahampian-tsakafo.
Fisorohana sy fitsaboana
Ny fampihenana na fialana tanteraka amin’ny toaka ny fisorohana tsara indrindra ny « cirrhose ». Marina fa mahavita miverina amin’ny laoniny ny aty, saingy misy fetra izany.
Raha efa voan’ny « cirrhose » dia:
-Tsy maintsy ajanona tanteraka ny toaka,
-Ilaina ny fanaraha-maso ara-pitsaboana tsy tapaka,
-Misy fitsaboana hanamaivanana ny soritr’aretina sy ny fahasarotana,
-Raha mafy loatra ilay aretina dia mety mila soloina ny aty (greffe du foie).



