• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo hevi-diso tsara hahitsy mikasika ny tazomoka

24/04/2026 14:14 © Moov.Mg

Marihana isan-taona, ny 25 aprily, ny andro manerantany ho an’ny fiadiana amin’ny tazomoka. Na dia misy aza ny ezaka maro atao amin’ny fisorohana sy fitsaboana, dia mbola betsaka ny hevi-diso miparitaka momba ity aretina ity.

Hevi-diso voalohany : Mifindra amin’ny olona iray mankany amin’ny iray hafa ny tazomoka

Tsy aretina mifindra mivantana amin’olona ny tazomoka. Ny kaikitry ny moka « anophèle », mitondra ny katsentsitra atao hoe « plasmodium », no mamindra azy amin’ny olona salama. Mila moka mitondra ilay katsentsitra izay vao afaka miparitaka ny tazomoka. Vitsy dia vitsy ihany ny tranga hafa mety hampifindra azy (toy ny ra na reny mankany amin’ny zaza).

Hevi-diso faharoa : Any ambanivohitra ihany no misy tazomoka

Maro tokoa ny mbola mihevitra fa any ambanivohitra na any amin’ny morontsiraka ihany no misy tazomoka. Marihana nefa fa mety ahitana sy iparitahan’ity aretina ity ihany koa na ny tanàn-dehibe aza. Ny toerana misy rano miangona sy loto no tena mampirongatra ny moka mety mitondra sy mamindra ny tazomoka.

Hevi-diso fahatelo : Aretina tsotra tsy mampidi-doza ny tazomoka

Tsy marina velively ny fiheverana fa aretina tsotra tsy mampidi-doza ny tazomoka. Io hevi-diso io no isany mahatonga ny fahataran’ny fitsaboana satria maro ny manamaivana ny aretina sy ny soritr’aretina aterany. Marihana nefa fa raha tsy tsaboina haingana ny tazomoka dia mety hitarika fahasarotana lehibe toy ny « anémie sévère », fahasimban’ny atidoha, na fahafatesana mihitsy aza.

Hevi-diso fahefatra : Raha efa voan’ny tazomoka indray mandeha dia tsy ho voa intsony

Diso tanteraka ny fieritreretina hoe raha efa voan’ny tazomoka indray mandeha dia tsy ho voa intsony. Rehefa sitrana ny marary voan’ny tazomoka dia mety misy fiarovana kely ao aminy, fa tsy maharitra kosa nefa izany. Misy karazana « plasmodium » afaka miafina ao amin’ny aty ary miverina miteraka aretina. Ankoatra izay dia mety hiverina ho voa raha voakaikitry ny moka mitondra ilay aretina. Afaka miverimberina matetika ny tazomoka.

Hevi-diso fahadimy: Ampy ny fitsaboana nentim-paharazana

Na dia mety hanamaivana ny soritr’aretina aza ny fitsaboana nentim-paharazana, sarotra ny mamono ny katsentsitra « plasmodium » izay mahatonga ny tazomoka. Ilaina hatrany ny fanafody maoderina hanasitranana tanteraka ilay aretina sy hisorohana ny mety ho fahasarotana.

Lire la suite

Articles Similaires