Foara Be an’Ambohimalaza : Hetsika hitondra fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny kaominina
Notanterahina androany 14 mey 2026 ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny Foara Be an’Ambohimalaza. Ny fampandrosoana ara-toekarena ny kaominina Ambohimalaza sy ny manodidina no tanjona lehibe napetraka, tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity.
Fanatsara ny habetsaka sy ny kalitaon’ny vokatra
Haharitra 4 andro ity andiany voalohany amin’ny Foara Be an’Ambohimalaza ity, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 17 mey 2026. « Miara-mandroso isika » no teny filmatra nosafidiana. Tanjona mantsy, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Ambohimalaza Miray, Rakotoaritsifa Sedera Voara, ny hampandrosoana ara-toekarena ity kaominina ity, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny vokatra ara-pambolena sy ara-piompiana, ny asa tanana, sy izay mety ho asa rehetra mendrika ny hampiroboroboina. Voakasik’izany fanatsarana izany avokoa, na ny habetsaky ny vokatra, na ny kalitaony.
Fa tanjona lavitr’ezaka, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany, ny hahafahana manodina ireo vokatra miakatra eo anivon’ny kaominina, ka mba ho tsaratsara kokoa ny vidim-bokatra. Eo ihany koa ny mba hahafahana mamatsy ny eto an-toerana sy any am-pitandranomasina. Ao anatin’izany ny fametrahana ny fenitra na ny « label bio » amin’ireo vokatra avy eo Ambohimalaza. Efa misy rahateo ny fikambanana manao izany ao anatin’ny kominina, izay tsy mampiasa zezika simika mihitsy amin’ny famokarana ataon’izy ireo. Iriana hiitatra amin’ireo tantsaha mpamokatra hafa izany.
Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha
Reny mpiahy ity hetsika ity, sy nanokatra izany tamin’ny fomba ôfisialy, ny lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, Clémence Raharinirina. Ity foara ity dia sehatra natao hampahafantarana ireo vokatra, ireo talenta sy ireo traikefa ary ireo harena mampiavaka ny kaominina Ambohimalaza, raha ny nambarany. Fotoana ihany koa io hanamafisan’ireo tantsaha ny fahaiza-manaony, amin’ny alalan’ireo fampiofanana maro samihafa.
Ankoatra ireo trano heva ahitana vokatra maro samihafa, toy ny legioma, biby fiompy, asa tanana malagasy, vokatra voahodina, vokatra ara-teknôlôjika isan-karazany… dia misy ihany koa ireo karazana fampiofanana izay miantefa mivantana amin’ireo tantsaha, hahafahan’izy ireo mampitombo fahalalana misimisy kokoa. Hita eny an-toerana, ankoatra izay, ny fampilalaovana sy famalifaliana ireo kilonga. Androany tolakandro moa dia nanatanteraka seho an-tsehatra tao amin’ny kianja mampiantrano ny Foara Be an’Ambohimalaza ny tarika Reko.
Fampandrosoana ny eny ifotony
Araka ny fantatra dia tao anatin’ny roa volana sy tapany no nikarakarana ity Foara Be an’Ambohimalaza ity, izay sambany no nanatanterahana azy. Nidera sy nankasitraka manokana ny Ben’ny tanàna, noho izany finiavana izany, ny Solombavambahoakan’ny Distrikan’Avaradrano, Avotraina Andriamosa, nandritra ny fandraisam-pitenenany. « Fijery vaovao, fomba fiasa vaovao no nentin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy », hoy izy. Maro ny tantsaha ao anatin’ny Distrikan’Avaradrano, ka ilaina ny hetsika tahaka izao manerana ny kaominina, hahafahan’ireo tantsaha mifankahalala sy mifanerasera, hoy kosa ny lehiben’ny Distrikan’Avaradrano, Rasata Volahasina.
Nanamafy izany Raharinirina Clémence raha nilaza fa ny Faritra Analamanga dia resy lahatra, fa raha tsy mandroso ny eny ifotony, raha tsy mandroso ny kaominina 142 ao anatin’ny Faritra, dia tsy afaka ny hisokatra amin’ny any ivelany. Nankasitraka manokana ireo mpiara-miombona antoka sy mpanohana ity hetsika ity ihany koa moa ny tenany, ka isan’izany ny Yas Madagascar. Nandrisika azy ireo izy mba ho avy hanolo-tanana sy hanohana ireo foara rehetra izay kasaina hotanterahina any amin’ny kaominina hafa manerana an’Analamanga.




