• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vaomieran'Ny Eveka.Jpg
Image
Vaovao

Fivondronam-ben’ny Eveka : “Aza averina intsony ny hadisoana efa nampitondra faisana ny firenena”

14/05/2026 07:09 © Moov.Mg

Manoloana ny kihon-dalana lalovan’i Madagasikara, miantso ny vahoaka sy ny mpitondra hahay handray lesona amin’ny lasa ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara. Ho an’ireo Eveka, tsy hisy ny fanavaozana marina raha mbola miverimberina ny fomba fanao efa nampikatso ny firenena sy nampitondra fahoriana ny vahoaka madinika.

Tsy misy drafitra mazava itondrana ny fanavaozana

Nanatanteraka ny fivoriana ara-potoana voalohany tamin’ity taona 2026 ity ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, ny 8 hatramin’ny 13 mey. Nivoitra tao anatin’ny hafatra navoakan’izy ireo, taorian’izany, ny ahiahy sy ny fanantenana iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo fa mbola misy ny hetaheta fanavaozana eo amin’ny vahoaka, saingy mihamaro ihany koa ireo zava-misy mampametra-panontaniana ny maro momba ny tena lalan-kizoran’ny fitondrana. Notsiahivin’ny Eveka fa nisy ireo hetsika sy fanapahan-kevitra nampamokatra fanantenana tany am-piandohan’ny fitondrana ankehitriny. Anisan’izany ny fanandratana ny fiandrianam-pirenena, ny fihenan’ny fahatapahan-jiro sy rano tamin’ny voalohany, ny fanamboaran-dalana ary ny fijerena akaiky ny sehatry ny fanabeazana sy ny mpiasam-bahoaka.

Na izany aza anefa, maro amin’ireo olana efa nahazatra ny Malagasy no mbola hita sy toa vao mainka mihamafy aza. Voatanisa amin’izany ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranan’ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly ary ny ady seza sy kiantranoantrano eny amin’ny sehatra politika. Notsikerain’ny Eveka ihany koa ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana sy ny fihanaky ny teny manavakavaka sy mampisara-bazana, indrindra eny amin’ny tambajotran-tserasera. Araka ny nambaran’izy ireo dia manjary mipetraka ny fanontaniana hoe : “Fihavaozana sy fanavaozana mankaiza ?” satria tsy mbola hita mazava ny tena drafitra hitondrana ny firenena amin’izany fanavaozana izany.

Mpitondra sy vahoaka mahay maka lesona

Ho an’ny Fivondronam-ben’ny Eveka, tsy tokony hijanona amin’ny kabary politika na fampanantenana an-kianja ny fanavaozana. Tokony hiainga amin’ny fiovan-toe-tsaina sy fomba fiasa eny ifotony izany. Notsindrian’izy ireo fa ilaina ny fampandeferana ny hambom-po sy ny fiavonavonana, ary ny fanekena fa “antsika rehetra i Madagasikara”. Tsy ny mpitondra ihany no tompon’andraikitra amin’ny fihavaozana, hoy ny hafatra, fa ny olom-pirenena tsirairay ihany koa. Na izany aza, ny mpitondra no tokony hanome ohatra voalohany amin’ny fanajana ny marina sy ny rariny ary amin’ny fitandroana ny tombontsoam-bahoaka.

Nanao antso manokana ny Eveka mba hianaran’ny rehetra lesona amin’ny tantaran’ny firenena. “Aoka samy hahay maka lesona amin’izay nolalovan’ny firenena, na ny mpitondra na ny vahoaka, mba tsy ho mpamerina an’izay efa fantatra fa nampitondra faisana ny firenena,” hoy izy ireo.

Fikaonan-doham-pirenena atokisan’ny rehetra

Nifantoka betsaka tamin’ny fikaonan-doham-pirenena kasaina hatao ihany koa ny hafatra. Araka ny nambaran’ny Eveka dia tsy maintsy mazava ny tanjona sy ny fomba hitondrana izany, ary tokony ho sehatra tena ahafahan’ny olom-pirenena sy ny faritra rehetra mandray anjara marina izy io. Nampitandrina izy ireo fa tsy tokony hivadika ho tetika politika na fomba fakana fahefana ny fikaonan-doham-pirenena. Tokony hiteraka rafitra sy fehin-kevitra vaovao kosa izany, izay tsy hahafahan’ny mpitondra mamerina ny fahadisoana efa nitranga teo aloha.

Tamin’ny famaranana ny hafatra dia nantsoin’ny Eveka ho “vahoaka miara-dia” ny Malagasy. Nambaran’izy ireo fa tsy hampandroso ny firenena ny fifampiandaniana sy ny fifandrafiana, fa ny firaisankina sy ny fifanohanana kosa no hahafahana manangana an’i Madagasikara. Nanao antso manokana tamin’ny tanora ihany koa izy ireo mba tsy ho voatariky ny herisetra na ny vola, fa ho “tanora mpanorina fa tsy mpandrava”. Ho an’ny mpitondra indray, nangatahin’ny Eveka ny mba tsy hanadinoan’izy ireo fa ny vahoaka dia maniry mpitondra manana toetran-dRaiamandreny, tsy manavakavaka ary tena manome ohatra amin’ny fihavaozana sy ny fanavaozana marina.

Lire la suite

Articles Similaires