Ireo fahazarana tsy tandrina mampiakatra ny fandaniana herinaratra
Mbola lafo ho an’ny ankohonana maro ny herinaratra eto Madagasikara. Zava-dehibe noho izany ny mahafantatra fa na dia fahazarana madinika aza dia mety hampiakatra be ny faktioran-jiro isam-bolana. Matetika ireo fandaniana ireo dia tsy tsikaritra avy hatrany fa miangona tsikelikely ka vao maika mavesatra rehefa tonga ny faran’ny volana. Ireto avy ny fahazarana mahazatra indrindra izay mety mampitombo fahatany ny fandaniana herinaratra ao an-tokantrano.
Mamela fitaovana mbola “standby” na tsy tena vonoina
Mbola mahazatra ny tokantrano maro eto amintsika ny mamela ny fahitalavitra, onjam-peo na fitaovana « électriques » hafa amin’ny « standby » rehefa vita ny nampiasana azy. Izany hoe tsy pihina tanteraka. Na dia toa tsy mandeha aza nefa ireo fitaovana ireo dia mbola mandany herinaratra kely foana izy ireny isan’ora, indrindra raha mitsatoka mandritra ny andro sy alina.
Rehefa maharitra herinandro sy volana maro izany dia lasa miangona be ny fandaniana, nefa tsy tsikaritra amin’ny fiainana andavanandro. Izany no mahatonga ny olona sasany gaga amin’ny faktioran-jiro nefa tsy mahafantatra akory ny loharanon’ny fandaniana. Ny vahaolana tsotra dia ny manala amin’ny « prise » na mampiasa « multiprise » misy bokotra ahafahana mamono tanteraka ny herinaratra rehefa tsy ampiasaina ny fitaovana.
Mamela « chargeur » mitsatoka nefa tsy misy finday
Fahazarana tena mahazatra ihany koa ny mamela « chargeur » ny finday mipetaka amin’ny « prise » mandritra ny andro na alina, na dia efa tsy misy finday mitsatoka intsony aza eo aminy. Misy mihitsy aza ny mamela « chargeurs » maromaro mipetaka amin’ny toerana iray, indrindra amin’ny fianakaviana misy olona maro.
Na dia kely aza ny herinaratra lanin’ny « chargeur » iray dia lasa mitombo izany rehefa maro sy maharitra ela. Amin’ny farany moa dia lasa fandaniana fahatany, satria tsy misy vokatra azo mivantana avy aminy. Tsara kokoa ny manala azy avy hatrany rehefa vita ny fampiasana.
Mbola mampiasa takamoa (ampoule) tranainy mandany herinaratra be
Mbola maro ny tokantrano mampiasa jiro tranainy, toy ny « ampoule » mahazatra na « halogène ». Mandany herinaratra betsaka kokoa izy ireny raha oharina amin’ny jiro LED. Marina fa mbola miasa tsara ireny karazana « ampoules » ireny ary mora vidy kokoa raha mihoatra amin’ireo « ampoules LED ».
Ny olana dia raha misy jiro maromaro ao an-trano dia miakatra haingana ny fandaniana isam-bolana. Ny LED kosa dia mitsitsy kokoa, maharitra ela, ary tsy mila soloina matetika. Na dia lafo kely aza ny mividy azy amin’ny voalohany dia mahasoa kokoa izy ireny amin’ny fotoana maharitra.
Mamela jiro mirehitra tsy misy olona ao anaty efitra
Fahazarana isany tena mampiakatra tsy amin’ny antony ny fandaniana herinaratra ao an-trano ny famelana jiro mirehitra ao amin’ny efitra tsy misy olona. Indraindray moa dia mivoaka kely ny efitrano dia avela mirehitra ny jiro satria hoe vetivety dia hiverina ao.
Na dia kely aza ny herinaratra lanin’ny jiro iray, rehefa miverimberina isan’andro izany fahazarana izany dia lasa mampiakatra be ny faktiora. Noho izany dia mila pihina hatrany ny jiro rehefa tsy ilaina. Rehefa mbola ampy manazava ny hazavana voajanahary dia tsy arehitra aloha ny jiro.
Fampiasana vata fampangatsiahana tsy araka ny tokony ho izy
Fitaovana tena ilaina ary miasa betsaka ao an-trano ny vata fampangatsiahana. Mety ho isan’ireo fitaovana mandany herinaratra be indrindra nefa izy io raha tsy ampiasaina tsara. Ohatra, rehefa sokafana matetika na maharitra ela ny varavarany dia miditra ny hafanana, ka voatery miasa mafy indray ilay motera hampangatsiaka azy.
Ankoatra izany, raha tsy voalamina tsara ny ao anatiny na be banga loatra dia mety tsy miasa amin’ny fomba mahomby izy. Vokany, mitombo ny fandaniana herinaratra nefa tsy manatsara ny fitehirizana sakafo akory.
Tsy mikarakara sy manadio fitaovana "électrique"
Rehefa maloto, feno vovoka na tsy voakarakara ny fitaovana « électrique » toy ny vata fampangatsiana, « ventilateur » na « climatiseur » dia mihena tsy araka ny tokony ho izy ny fiasany. Voatery miasa mafy kokoa izy ireo mba hanatanteraka ny asany ka lasa mampitombo ny fandaniany herinaratra.
Toy izany ihany koa ny fampiasana fitaovana « électrique » tranainy loatra. Mbola toa mandeha tsara ny fijery azy ireny ka heverina tsy maika ny hanolo azy. Rehefa ela niasana loatra nefa ireny fitaovana ireny dia mihena ny fiasany ka lasa mampiasa herinaratra be kokoa izy vao mahavita tsara ny asany.




