• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Yas
Image
Vaovao

Fanatanjahantena : Manohana ny taranja « « handball » ny orinasa Yas Madagascar

20/05/2026 15:01 © Moov

Manomboka amin’ity anio, 20 may 2026, ity dia manohana ny taranja « handball », amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Federasiona malagasin'ny handball (FMHB), ny orinasa Yas Madagascar. Tao amin’ny Campus Yas Andraharo, no nampahafantarana izany, teo anatrehan’ireo mpikambana samihafa ao amin’ny Federasiona.

Santarina amin’ny fanohanana ny IHF Trophy zone 7

Hanamarihana voalohany indrindra izany fanohanan’ity orianasam-pifandraisana ity ny taranja « handball », izany dia ho mpanohana ofisialy ny fifaninanana iraisam-pirenena "IHF Trophy zone 7" Océan Indien, izy ireo. Hotanterahina ny ny 27 hatramin'ny 31 mey 2026, eny amin'ny lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina, izany. Sokajy roa no handray anjara ao dia ny « cadet » sy ny « juniors » lehilahy. Amin’io fotoana io moa dia ny FMHB no mpikarakara, satria eto Madagasikara no hanatanterahana azy.
Tamin-kafaliana tokoa no nandraisan’ny FMHB ny orinasa Yas, amin’izao fiaraha-miasa vaovao izao. Toy ny « basket » sy ny baolina kitra dia mahazo ny anjarany ihany koa araka izany ny lalao « handball ». Ny orinasa Yas, izay manamafy hatrany fa « vonona hanohana ny tanora sy ny fanatanjahantena, ho reharehan’ny Malagasy rehetra ; ka hitondra avo ny sainam-pirenena malagasy hatrany am-pita ireo mpilalao », hoy i Ny Aina Rakotonandrasana, Tomponandraikitra misahana ny fiaraha-miasa ao amin’i Yas Madagascar.

Vonona i Madagasikara amin’ny IHF Trophy

Firenena dimy no handray anjara amin'ity fifaninanana ity. Ahitana an’i Madagasikara, mpampiantrano, Comores, Seychelles, La Réunion, ary i Mayotte. Nandritra ny lanonana tao amin’ny Campus Yas, no nanolorana ireo ekipan’i Akio Madagasikara handray anjara amin’izany. « Efa vonona tanteraka ny ekipa Malagasy ary tsy dia misy firenena tena hatahorana firy », hoy i Tsiahoua Sylvestre, tale teknika nasionalin'ny FMHB.
Marihina moa fa izay mpandresin'ity fifaninanana ity no hisolo tena any amin'ny fifaninanana kaontinantaly, izay lalana hiadiana ny tapakila amin'ny fiadiana tompandaka eran-tany avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires