• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © I.A Rvk
Image
Vaovao

Valanaretina Ebola vaovao : Mahery vaika kokoa, fa mbola voaaro i Madagasikara

21/05/2026 12:34 © Moov.Mg

Nampiakatra ny haavon’ny fanairana ara-pahasalamana maneran-tany ho amin’ny « ambaratonga faharoa » ny sampan-drahaahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin’ny 17 mey lasa teo, noho ny fiverenan’ny valanaretina Ebola aty Afrika. Miteraka ahiahy maneran-tany izany, saingy ambany dia ambany ny mety ho risika, raha ho an’i Madagasikara manokana.

Aretina avy amin’ny virosy tsy fahita firy

Taorian’ireo trangana hantavirus izay nampitebiteby ny sehatra ara-pahasalamana maneran-tany, dia mihanaka indray ankehitriny ny aretina Ebola, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC). Ny faritra Ituri sy Nord-Kivu no tena voakasik’izany, ary efa tonga hatrany amin’ny sisintanin’i Ouganda ihany koa ny aretina. Tsy toy ireo valanaretina Ebola nitranga teo aloha anefa ity tranga vaovao ity, fa karazana virosy tsy fahita firy antsoina hoe “variant Bundibugyo” no mahatonga azy.

Tombanana ho mety mahafaty olona iray amin’ny roa izay tratrany izy, satria mahatratra 50 % eo ho eo ny tahan’ny fahafatesana. Olana ambonin’izany : tsy mbola misy vaksiny na fitsaboana manokana hiadiana amin’io karazana virosy io aloha hatreto. Nitombo ny ahiahy tamin’ity herinandro ity, taorian’ny nandefasana maika mpiasan’ny fahasalamana amerikanina iray tany Alemaina, rehefa voalaza fa mety tratran’ny aretina Ebola izy.

Aretina azo sorohina

Ny fahalalana mialoha ny soritr’aretina no isan’ny fiarovana voalohany amin’ny Ebola. Miseho tampoka amin’ny endrika tazo mahery, havizanana tafahoatra, fanaintainan’ny hozatra, aretin’andoha ary fanelingelenana any amin’ny tenda ny aretina. Eo ihany koa ny fandoavana, ny fivalanana, ny fery amin’ny hoditra, ary rehefa lasa alavitra ny aretina dia tonga hatrany amin’ny aretin’ny voa sy ny aty miaraka amin’ny lotsidra (hémorragie) any anaty sy eto ivelany.

Manoloana izany dia manamafy ny ireo mpisehatra ara-pahasalamana fa tena ilaina ny fanajana hentitra ny fahadiovana. Tsy maintsy ialana ny fifampikasohana mivantana amin’ny ra, ny ivy, ny hatsembohana, sy ny maloto ary ireo mety ho kaazana tsiranoka mivoaka amin’ny vatan’ny olona voan’ny aretina, na mbola marary izy na efa nodimandry. Anisan’ny fiarovana lehibe ihany koa ny fanasana tanana matetika amin’ny savony, na amin’ny alalan’ny rano mpamono otrikaretina (solution hydroalcoolique).

Madagasikara, mbola voaaro amin’ny maha-nosy azy

Na dia mafy aza ity karazana Ebola vaovao ity, dia heverin’ireo manam-pahaizana fa mbola ambany dia ambany ny risika mety hahatongavan’ny aretina eto Madagasikara. Ny maha-nosy an’i Madagasikara no fiarovana lehibe voalohany. Any amin’ny faritra lavitra any Afrika Afovoany mantsy no misy ny ivon’ny valanaretina, ary tsy misy sidina mivantana mampifandray ireo firenena ireo amin’i Madagasikara.

Ankoatra izay, tsy miparitaka amin’ny alalan’ny rivotra, toy ny Covid-19 na ny gripa, ny Ebola. Tsy mamindra aretina ihany koa ny olona iray, mandritra ny fotoana itondrany ny tsimokaretina, raha mbola tsy miseho ny soritr’aretina. Izany no mahatonga ny fihanaky ny aretina ho voafetra kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Na izany aza dia ilaina foana ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona, eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo.

Lire la suite

Articles Similaires