• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana : Ny fahalalana ara-tsiansa, lakilen’ny fiarovana maharitra ny harena voajanahary

05/06/2026 16:17 © Moov.Mg

Ankalazaina mandritra ny roa andro, eny amin’ny Parvis Analakely, ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Amin’ity taona ity, ny fampanatonana ny siansa sy ny vahoaka no nasongadina, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo voka-pikarohana sy vahaolana novolavolain’ny mpahay siansa malagasy mba hiatrehana ireo olana ara-tontolo iainana.

Mampifanakaiky ny fikarohana sy ny olom-pirenena

Ao anatin’ny fiatrehana ireo fanamby maro mianjady amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara, toy ny fahapotehan’ny ala, ny fahasimban’ny tany ary ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, dia mihamaro ireo fikarohana ara-tsiansa tanterahina eny anivon’ny oniversite sy ny ivon-toeram-pikarohana. Na izany aza, mbola maro amin’ireo vokatra azo no tsy fantatry ny besinimaro. Ho famaliana izany indrindra no antony ankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana ny 5 sy 6 jona 2026 eo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ao anatin’ny hetsika “Fikarohana manakaiky vahoaka”.

Ny tanjona dia ny hampifandray mivantana ny mpikaroka sy ny vahoaka, mba hahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa ireo fikarohana sy vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Araka ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, ny fahafantaran’ny olona ny siansa sy ny vokatra entiny dia isan’ny antoka hahafahana mandray fanapahan-kevitra mahasoa sy miaro ny tontolo iainana maharitra.

Hetsika maro karazana

Isan’ny hita mandray anjara amin’ny fampirantiana eny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna analakely Mandray ny Oniversiten’Analamanga, ny Oniversiten’i Vakinankaratra, ny Oniversiten’Itasy, ny Institut National de Recherche pour le Développement (IRD), ny fikambanan’ny tanora SAVE, ankoatra ireo sekoly, fikambanana sy rafitra maro hafa. Aseho eny an-toerana ireo fikarohana mifandraika amin’ny fiarovana ny harena voajanahary, ny biby sy zava-maniry tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, ny fitantanana ireo harena ambanin’ny tany, sns. Amin’ny alalan’izany dia afaka mahazo fanazavana mivantana avy amin’ireo manam-pahaizana ny mpitsidika, ka ho afaka mahatakatra bebe kokoa ny lanjan’ny siansa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tsy voafetra amin’ny siansa ihany ny fandaharam-potoana, fa ahitana hetsika ara-panatanjahantena, indrindra ny lalao basikety, ary koa hetsika ara-kolontsaina eny an-toerana, mba hahafahan’ny sokajin’olona maro mandray anjara sy mankafy ny hetsika. Ankoatra ny fampirantiana dia misy ny loabary andasy tanterahina ao amin’ny efitrano lehiben’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. “Kolontsaina sy Tontolo iainana” no lohahevitra dinihina ny 5 jona, raha ny “Faritra arovana », « Géoconservation » ary » Fampandrosoana maharitra” kosa no horesahina ny 6 jona.

Ny tale jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Profesora Ratsimbasoa Claude Arsène, no nanokatra ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy. Ministera telo no miara-mikarakara izany, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka akademika sy andrim-panjakana maro. Olona manodidina ny 20.000 kosa no andrasana hitsidika ireo trano heva sy handray anjara amin’ity hetsika ity.

Lire la suite

Articles Similaires