Fomba fanaovana « Virgin Mojito » : zava-pisotro mamelombelona tsy misy toaka
Ny « Virgin Mojito » dia dika tsy misy toaka amin’ilay zava-pisotro « mojito » malaza avy any Kiobà (Cuba). Mamelombelona, manitra, tsara tsiro ary mora atao izy io ka azo aroso tsara rehefa misakafo, na amin’ny fety sy fihaonana samihafa. Mety tsara ho an’ny mpianakavy izy ity amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny fitambaran’ny ravin-tsolila, voasary makirana maitso ary rano misy entona no mahatonga azy hanana tsiro maivana sy mahafinaritra.
Ireo akora ilaina raha hanao « Virgin Mojito »
Ho an’ny vera lehibe iray dia mila:
-Voasary makirana maitso 1,
-Ravin-tsolila vaovao 10 eo ho eo,
-Siramamy na « sucre de canne » 2 sotrokely,
-Rano misy entona (eau gazeuse),
-Ranomandry na gilasy voatoto,
-Ravin-tsolila sy silaka voasary makirana handravahana azy (raha tiana)
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Sasana tsara ny voasary makirana sy ny ravin-tsolila. Tetehana ny voasary makirana ary atao ao anaty vera lehibe. Ampiana ny ravin-tsolila sy ny siramamy.
Potserina moramora ireo akora. Mampiasa laona kely na lamosin’ny sotro hanorotoroana moramora ny voasary makirana, ny solila ary ny siramamy. Izany dia manampy amin’ny famoahana ny ranon’ny voasary sy ny hanitry ny solila. Tsy potehina mafy loatra anefa ny ravin-tsolila sao mangidy ny tsirony.
Alefa ao ny ranomandry. Fenoina ranomandry na gilasy voatoto ny vera. Manampy hitazonana ny « Virgin Mojito » ho mangatsiaka sy mamelombelona izany.
Araraka ao anaty vera ny rano misy entona mandra-pahafeno azy. Afangaroana moramora mba hifangaro tsara ny tsiro nefa sady tsy miala ny entona.
Faranana amin’ny fanaingoana azy. Ampiana ravin-tsolila vaovao sy silaka voasary makirana raha tiana hahafinaritra kokoa ny endriny. Tsara raha aroso avy hatrany ity zava-pisotro ity mba hankafizana azy tsara.
Karazana Virgin Mojito hafa azo andramana
Azo ovaina araka izay tiana ny « Virgin Mojito ». Ohatra, azo ampiana frezy, framboazy, manga na garana mba hanomezana tsiro hafa azy. Misy ihany koa ny manolo ny rano misy entona amin’ny limonady mba hahazoana zava-pisotro somary mamy kokoa.




