Lamba sasany mitahiry fofona kokoa noho ny hafa : inona no antony ?
Misy karazana akanjo sasany no mitahiry fofona tsy mahafinaritra na dia efa avy nosasana aza. Misy kosa ireo akanjo hafa miverina ho madio tsara. Ny karazana « fibre » mandrafitra ny lamba no mahatonga izany. Misy amin’ireo akora sasany no misintona sy mitahiry kokoa ireo « molécules » mahatonga fofona noho ny hafa.
Miraikitra amin’ny « fibre » ny fofona
Ny fofona dia avy amin’ny « molécules » ateraky ny hatsembohana, ny setroka, ny sakafo na ny tontolo iainana manodidina. Rehefa mifandray amin’ny lamba ireo « molécules » ireo dia mety hiraikitra eo amin’ny velaran’ny « fibre » na hiditra ao anatiny mihitsy. Arakaraka ny maha « complexe » sy « poreux » ny firafitry ny « fibre » no mahatonga azy hitahiry ireo akora mahatonga fofona ireo.
Ny lamba « synthétique » matetika no mitahiry fofona bebe kokoa
Ny « fibre synthétique » toy ny « polyester », « nylon » ary « élasthanne » matetika no mitahiry fofona kokoa noho ny « fibre » natoraly. Mora misintona ireo akora misy menaka avy amin’ny hatsembohana izy ireo. Satria moa maro amin’ireo « molécules » mahatonga fofona ratsy no mifandray amin’ireo akora matavy ireo, dia mety mbola hisy fofona maharitra ny akanjo fanaovana fanatanjahantena vita amin’ny « polyester » na dia efa voasasa imbetsaka aza.
Mahazo rivotra tsara kokoa ny « fibre » natoraly
Ny lamba « coton », « lin » ary volon’ondry dia misintona hamandoana ihany koa, saingy ny firafiny dia manampy amin’ny famoahana haingana kokoa ny hatsembohana. Misy amin’ireo « fibre » natoraly aza no manana toetra manohitra bakteria amin’ny fomba voajanahary. Ny volon’ondry, ohatra, dia manampy amin’ny fampihenana ny fitomboan’ireo bakteria mahatonga fofona, ka mahatonga azy hijanona ho vaovao ela kokoa.
Mampitombo ny fofona ratsy ny hamandoana
Rehefa mijanona mando ela ny lamba iray dia mora mitombo ao aminy ny bakteria sy ny holatra madinika. Rehefa mamotika ireo akora ao amin’ny hatsembohana izy ireo dia mamokatra singa miteraka fofona ratsy. Noho izany, ny akanjo avela ela ao anaty kitapo fanatanjahantena na ao anaty milina fanasan-damba dia mety hitahiry fofona ratsy kokoa.
Ahoana ny atao hampihenana ny fofona amin’ny akanjo?
Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy afaka manampy:
-Sasana haingana ny akanjo rehefa avy nanao fanatanjahantena na niasa mafy,
-Tsy avela ela ao anaty koveta na milina fanasan-damba ny lamba mbola mando,
-Atao maina tanteraka ny akanjo alohan’ny hampirimana azy,
-Afaka mampiasa vinaingitra mandritra ny fanasana mba hanalana ireo fofona miraikitra,
-Atapy andro sy atao hazon’ny rivotra matetika ireo akanjo tsy ampiasaina isan’andro.




