Antony mahazatra mahatonga fitohanana na « constipation » amin’ny bevohoka
Isan’ireo olana mahazo matetika ny vehivavy bevohoka ny fitohanana na « constipation ». Maro ny mahatsikaritra fa miadana kokoa ny fandehanan’ny tsinay mandritra ny fitondrana vohoka, ka miteraka fahasarotana amin’ny fivoahan’ny maloto, fivontosana ao an-kibo ary fahatsapana tsy mahazo aina. Maro ireo antony mahatonga izany ka ‘ndeha ho resahana eto ireo mahazatra indrindra.
Fitohanana mandritra ny fitondrana vohoka : vokatry ny fiovan’ny hormonina
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo ny famokaran’ny vatana hormonina antsoina hoe « progestérone ». Manampy amin’ny fitazonana ny vohoka io hormonina io, nefa koa mampitony sy mampalemy ny hozatra ao amin’ny vatana, ka anisan’izany ny hozatry ny tsinay. Izany dia mampiadana ny fiasan’ny tsinay ka mahatonga ny fitohanana mandritra ny fitondrana vohoka.
Tsindry avy amin’ny tranonjaza
Rehefa mitombo ny zaza ao am-bohoka dia mihalehibe ihany koa ny tranonjaza ka maka toerana betsaka ao anatin’ny kibo. Izany dia mety hanindry ny tsinay, indrindra amin’ny volana faramparan’ny vohoka. Io tsindry ataon’ny tranon-jaza io dia manemotra na mampiadana ny fandehanan’ny maloto.
Fihinanana fanampin-tsakafo misy « fer »
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mila mihinana fanampin-tsakafo na fanafody misy « fer » ny bevohoka mba hisorohana na hitsaboana ny tsy fahampian-dra. Na dia ilaina aza izany ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, dia mety hiteraka fitohanana ho an’ny bevohoka sasany.
Sakafo tsy ampy fibra
Ny fibra dia manampy betsaka amin’ny fanamorana ny fiasan’ny tsinay sy ny fivoahan’ny maloto. Raha tsy mahery mihinana voankazo, legioma, tsaramaso ary voamadinika ny vehivavy bevohoka dia mitombo ny « risques » mety hisian’ny fitohanana na « constipation ».
Tsy misotro rano ampy mandritra ny tontolo andro
Zava-dehibe ny fisotroana rano ampy mba hitazonana ny maloto ho malefaka sy mora avoaka. Mandritra ny fitondrana vohoka moa dia mitombo ny filàn’ny vatana rano. Raha tsy ampy ny rano sotroina dia mety ho mafy kokoa ny maloto ary ho sarotra avoaka.
Tsy fahampian’ny fanetsiketseham-batana
Ny fanetsiketseham-batana sy ny fanatanjahantena mifanaraka amin’ny fitondrana vohoka dia manampy ny tsinay hiasa tsara. Raha tsy dia mihetsika firy na matoritory foana ny vehivavy bevohoka dia mety hiadana kokoa ny fiasan’ny tsinay.
Ahoana no hisorohana ny fitohanana mandritra ny fitondrana vohoka?
Mba hampihenana ny « risques » hisian’ny fitohanana eo amin’ny bevohoka dia tsara ny mihinana sakafo manankarena fibra, misotro rano ampy isan’andro, manao hetsika ara-batana mifanaraka amin’ny vohoka ary manaraka ny torohevitr’ireo mpiasan’ny fahasalamana momba ny fanampin-tsakafo raisina.
Raha mafy loatra, maharary na maharitra ela ny fitohanana, dia tsara ny manatona dokotera na mpampivelona mba hahazoana torohevitra mifanaraka amin’ny toe-pahasalamana misy.




