Tanana makiana sy marokoroko vokatry ny hatsiaka : inona no atao ?
Ny tanana no isan’ireo faritra amin’ny vatana tena miasa isan’andro ary miaritra karazan-javatra maro toy ny hatsiaka, taratry ny masoandro, vokatra fanadiovana misy akora simika… Vokatr’izany dia mety ho maina sy marokoro izy ireo, indraindray aza misy triatra, indrindra rehefa vanim-potoana ririnina toy izao. Soa ihany fa misy fomba natoraly tsotra afaka manampy hikarakarana ny tanana mba hampiverina azy ho malama sy malefaka.
« Masque » tantely sy menaka oliva : mitondra « hydratation » lalina
Ny tantely dia manome hamandoana natoraly, ary ny menaka oliva kosa manome sakafo sy mamelona lalina ny hoditra. Tsotra ny fomba fanamboarana sy fampiasana ity « masque » mitondra « hydratation » ho an’ny hoditra ity. Afangaro amin’ny tanana madio ny tantely 1 sotro fihinanana sy menaka oliva 1 sotro fihinanana. Ahosotra amin’ny hoditra ary orina moramora mandritra ny minitra vitsy. Avela hilona 20 ka hatramin’ny 30 minitra, avy eo sasana amin’ny rano matimaty.
Vokany : lasa malefaka sy voatsabo kokoa ny tanana.
« Gommage » siramamy sy voasarimakirana : manala ny hoditra maty
Ity « gommage » natoraly ity dia manampy manalefaka sy manala hoditra maty « peaux mortes » izay mamparokoroko ny hoditra. Siramamy 1 sotro lehibe, rano voasarimakirana kely ary menaka kely (tsy voatery) no ilaina amin’ny fanamboarana azy. Afangaro ireo akora ireo dia kosehina moramora ny tanana mandritra ny 2 ka hatramin’ny 3 minitra. Avy eo sasana amin’ny rano matimaty.
Tsy ampiasaina raha misy mitriatra ny hoditra satria mety hampamaivay ny voasarimakirana.
« Bain d’huile » amin’ny menaka mafana : fanarenana lalina
Ity fomba ity dia tena manampy hikarakarana ny tanana tena maina sy simba. Menaka voanio na menaka oliva hafanaina kely no ilaina amin’ny fanaovana azy. Atsoboka ao anaty menaka mafana kely ny tanana mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra. Avy eo orina moramora mba hiditra tsara ny menaka.
Atao in-2 na in-3 isan-kerinandro mba hahazoana vokatra tsara.
« Masque » akondro sy tantely : mamelona sy manalefaka
Ny akondro dia be otrikaina manampy amin’ny fanarenana ny hoditra. Tsotra ny fomba fanaovana azy. Potserina tsara ny akondro antsasany avy eo afangaro amin’ny tantely 1 sotro fihinanana. Io fangaro io no ahosotra tsara amin’ny tanana ary avela hilona 20 minitra eo ho eo alohan’ny hanasana azy.
Torohevitra hiarovana ny tanana tsy ho simba
Mba hiarovana ny hoditry ny tanana tsy ho makiana na ho marokoroko amin’izao ririnina izao dia misy ireo fomba tsotra manampy azo ampiharina :
-Manao « gants » rehefa manao raharaha mampiasa vokatra fanadiovana misy akora simika,
-Hamandinina ny tanana isan’andro,
-Fadiana arak’izay azo atao ny mikirakirana rano mafana be loatra,
-Misotro rano ampy isan’andro hanamandinana ny hoditra avy ao anatiny.




