Torohevitra hikarakarana ny hoditra raha miharatra matetika
Isan’ny fikarakarana andavanandro ataon’ny olona maro ny fiharatana tarehy, tongotra, helika na faritra hafamin’ny vatana. Mila fikarakarana tsara ny hoditra haratana matetika mba hisorohana ny « irritations », volo tsy mivoaka (poils incarnés) sy ny ratra madinika mety ateraky ny fiharatana. Ireto manaraka ireto àry ireo torohevitra manampy hitazomana ny hoditra ho salama sy malefaka raha miharatra matetika.
Omanina tsara ny hoditra alohan’ny hiharatra
Manomboka amin’ny fanomanana ny hoditra ny fiharatana tsara. Sasana tsara amin’ny savony malefaka ny faritra ho haratana mba hanesorana ny loto, menaka be loatra ary bakteria mety hiteraka aretina.
Tsara kokoa raha rehefa avy mandro amin’ny rano mafana no miharatra. Azo atao ihany koa ny mametaka servieta mafana eo amin’ilay faritra alohan’ny hanalana ny volo amin’ny hareza. Ny hafanana dia mampalefaka ny volo, manokatra ny mason-koditra ary manamora ny fivezivezen'ny hareza.
Esorina hatrany ny hoditra maty
Ny fanalana hoditra maty (peaux mortes) dia manampy hanesorana ireo sela maty miangona eo ambonin’ny hoditra. Tsara raha atao indray mandeha na indroa isan-kerinandro izany mba hampihena ny « risques » hisian’ny volo tsy mivoaka (poils incarnés) sy hampizotra tsara ny fiharatana. « Gommage » malefaka na « gants de toilettes » malefaka nefa mandaitra tsara no hampiasaina mba hampiala ireo hoditra maty nefa tsy mandratra ny hoditra.
Safidiana tsara ny hareza ampiasaina
Ny hareza ratsy kalitao na efa dombo ny lelany dia mampitombo ny « risques » hisian'ny « irritations » sy ratra rehefa miharatra. Mba hiarovana ny hoditra dia mila:
-Soloina matetika ny lelan'ny hareza na mividy vaovao rehefa hita fa tsy maranitra tsara intsony ny « lame »,
-Sasana tsara ny hareza isaky ny avy mampiasa azy,
-Tsy mifampizara na mifampindrana hareza amin'olona hafa,
Raha manana hoditra « sensible » dia hareza manokana sahaza amin’io karazan-koditra io no safidiana.
Mampiasa « produit de rasage » hatrany isaky ny miharatra
Anisan'ny antony lehibe mahatonga « irritation » ny fiharatana amin’ny hoditra maina. Ny « produit de rasage » toy ny « mousse », « gel » na « crème » dia mamorona sosona miaro eo anelanelan’ny hareza sy ny hoditra. Io sosona io dia manamora ny fikisahan’ny hareza eo amin’ny hoditra ka mampihena ny ratra madinika sy ny « irritations ». Ho an'ny hoditra « sensibles » dia tsara kokoa raha vokatra tsy misy alikaola sy tsy misy hanitra mahery no safidiana.
Haratana manaraka ny fanirin'ny volo
Na dia toa madio kokoa aza ny fiharatana mifanohitra amin'ny fanirin’ny volo, dia mampitombo ny « risques » hisian’ny volo tsy mivoaka sy ny « irritations » fanaovana izany. Tsara kokoa ny miharatra manaraka ny fanirin’ny volo, indrindra raha manana hoditra « sensibles ».
Sasana amin'ny rano mangatsiaka rehefa vita
Rehefa vita ny fiharatana dia sasana amin'ny rano mangatsiaka ilay faritra mba hanesorana ambina « produit de rasage » tavela sy hampitoniana ny hoditra. Amin’ny farany, hamainina moramora amin'ny servieta. Petahana moramora fa tsy kosehina.
Asiana « crème hydratante » avy hatrany
Mety ho mora simba vetivety ny fiarovan'ny hoditra rehefa avy miharatra. Noho izany dia zava-dehibe ny manosotra « crème » na « baume » mampamandina hoditra avy hatrany. Ny vokatra misy « aloe vera », « glycérine », « beurre de karité » na « céramides » dia manampy hampitony ny hoditra sy hitazona ny hamandoany.




